airtel

Fahasalamana

29-janv-2026

Fianankaviana zaza narary nitaraina

« Ny tao Befelatanana no nanao

Sample post image

tsinontsinonana anay fa tsy HJRA ! »

29-janv-2026

Misy ny fandraisana an-tanana mendrika eny amin’ireny hopitalim-panjakana ireny, fa eo ihany koa anefa ny fitarainana manodidina ny fihetsika, fomba fandraisana, fanavakavahana,… mahazo ny marary sy ny mpitondra marary. Notaterina teto omaly, noho ny fahazoana loharanom-baovao azo antoka ny fitarainana mikasika fandraisana tamin’ny Hopitalim-panjakana teto Antananarivo renivohitra. Zaza iray narary mafy sy sempotra no nitarainan’ny fiainankaviany, izay nitondran’izy ireo fanampim-baovao, fa tao amin’ny Hopitaly Befelatanana no nitondrana azy voalohany, ka tao no nisiana fandraisana tsizarizary sy fanaovana tsinontsinona ny marary, fa tsy tao amin’ny HJRA izay toerana faharoa nitondrana ilay zaza, hoy izy ireo. Tamin’ny voalohany, nentina niditra ny marary izay efa hitan’ny dokotera mpitsabo fa mila ampidirina hopitaly any amin’ny fameloman’aina, satria mila oxygène maika noho ny fahasahiranana amin’ny fifohana rivotra. « Rehefa tonga tao dia nilazana fa tsy misy oxygène, fa ny ato dia efa natao ho an’ny mararinay. Ny vao miditra izany dia tsy kaonty, satria tsy mararin’izy ireo », hoy izy ireo. Tsy maninona fa hitady izahay hoy ny mpitondra marary,… Marihana, hoy ny fitarainana fa tena tsy misy mihitsy ilay atao hoe « prise en main » na fandraisana-tanana. Efa sempotra be amin’ny resaka fo sy asthme. Fa dia miady amin’ny olona mihitsy tao amin’ny avonavona sy tsy fahatomombanan’ilay « prise en main ». Raha tsy efa niseho teo ny reniny, izay dokotera efa niasa tao, dia izay vao nahazo fitsaboana. Tsy nahazaka ny toetran’ireto mpiana-draharaha dia tena niteny mihitsy hoe: “Mahaiza manaja olona, mahaiza manaja ny marary, ary manajà ny zoky fa dokotera tato aho. Mahita izao toe-tsainareo izao.” Izay vao niondrikondrika daholo, menatra izy rehetra,… hoy ny fitantarana voaray. Nanamarika kosa izy ireo, fa rehefa nafindra tao amin’ny HJRA fa tena nandray tamim-panjana sy nikarakara azy ireo tsara ny mpitsabo, nanomboka tamin’ny andro voalohany hatramin’izao. Naneho fialan-tsiny noho izany ireo fianankaviana noho ny fifangaroan’ny anaran’ny hopitaly, ka mety hanohintohina ny hafa izay nanao ny asany am-pahamendrehana ny tsirambina nataon’ny hafa.
Toky R

 

Dans la même rubrique