airtel

Fahasalamana

25-mars-2024

Fisorohana ny fidiran’ny kôlera

Nananamafy sy nampahatsiahy ireo fepetra ny ACM

Sample post image

Namoaka fampitam-baovao maneho ny fisorohana ny mety ho fiparitahan’ny

25-mars-2024

valanaretina choléra eto amintsika ny ACM (Aviation Civile de Madagascar) omaly, ka handraisana ny fepetra eny amin’ireo fiaramanidina. Mbola mihatra avokoa ireo fepetra ara-pahasalamana efa noraisina teo aloha, ho fisorohana ny fidiran’ny aretina kolera eto Madagasikara.
Hentitra araka izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny miasa eny anivon’ny seranam-piaramanidina amin’ny ady atao amin’io aretina io manerana ny Nosy, hoy fanambarana. Mitoetra hatrany ireo toerana manokana hanasàna tanana eny amin’ny toeram-pahatongavan’ny seranam-piaramanidina, ny toerana misy « gel hydro-alcoolique » , ny « tapis » misy ranom-panafody izay mamono ny bakteria sy mikraoba na HTH , ny fitifirana ranom-panafody ireo « bagages à main » sy « bagages en soute». Ohatra amin’ireo toerana mampihatra izany ny seranam-piaramanidina Antananarivo, Mahajanga, Nosy Be, Antsiranana, Toliara, Morondava, Taolagnaro sy ireo zotra avy any amin’ny Nosy La Réunion, Mayotte, Nairobi, Addis Abeba, Johannesburg sy ny maro hafa.
Misy ihany koa ny fanentanana an’ireo mpandeha manoloana ny fitandremana tokony ho ataon’izy ireo mba ho fisorohana hatrany io aretina io. Ankoatra izay, dia miroso amin’ny fanomezana fanafody anaty sokajin’ny antibiotika ho an’ireo mpandeha amina kaompaniam-pitaterana sasany avy any ivelany ny eo anivon'ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Paikady mahomby hanakanana ny fidiran’ny kolera eto amin’ny Nosy ny fifanomezan-tanana sy fiaraha-misalahy an’ireo mpandeha amin’ny sidina sy ireo tompon’andraikitra rehetra, hoy ny ACM. Tsar any mampahatsiahy fa vao 3 andro lasa izay no nisy ny tatitra tatsy amin’ny Nosy Kaomoro, fa 12 no maty ny fiatombohan’ny herinandro teo ary 227 kosa ny tranga. Efa misy ihany koa ny tranga any Seychelles anatin’ny departemanta Frantsay.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Tafakatra 65% ny tahan’ireo tanora tovovavy sy vehivavy manao fanabeazana aizana eto amintsika

Card image cap