airtel

Fahasalamana

13-mai-2026

FOKONTANY AMBOHIDRANO

SABOTSY NAMEHANA

Sample post image

Mandripaka ny aretina tazomoka

13-mai-2026

Mandripaka ny aretina tazomoka ao amin'ny Fokontany Ambohidrano, kaominîna Sabotsy Namehana, distrikan'Avaradrano. Efa andro maromaro izao no nisian'izany raha araka ny vaovao avy amin'ny Ben'ny tanana. Tsy hanavahana sokajin-taona izany fa saika lasibatra avokoa ny rehetra indrindra fa ireo heverina ho marefo toy ny ankizy madinika sy ny zokiolona. Efa nisy mihitsy ireo namoy ny ainy hoy hatrany ny vaovao azo saingy mbola tsy misy hatreto ny antontan'isa ofisialy. Antso avo araka izany no hataon'ny Ben'ny tanana ao an-toerana mba hijery akaiky ity fiparitahan'ny aretina tazomoka ao amin'ny Faritra hiadidiany ity. Tsiahivina fa mifindra amin'ny alalan’ny kaikitry ny moka ny aretina tazo. Tsy ny moka rehetra anefa no mahatonga izany fa ny «anophèle femelle» irery ihany. Fomba hahafantarana azy ny hamahan'ny tongony aoriana ary manao 45° izy rehefa mipetraka amin’ny rindrina na amin’ny ho-ditra. Ankoatra io kaikitry ny moka io dia mifindra amin’ny alalan’ny fanomezana rà (transfusion sanguine) koa ny tazomoka ary ny fahatelo dia ny reny mifindra amin’ny zanany mbola ao.am-bohoka. Ny aretina tazomoka no aretina fahatelo mamono olona betsaka eto amintsika. Nahatratra 610.000 ireo olona matin'ny aretina ity tamin'ny taona 2024.
Pati

Légende : Mamono Malagasy maro ny aretina tazomoka indrindra fa ny any amin'ny Faritra !
 

Dans la même rubrique

13-mai-2026

MV Hondius mampanahy, saingy mbola voafehy .

Card image cap