airtel

Fahasalamana

05-avril-2022

Fahasalamana

Hani-masaka tsy ara-pahasalamana Misy fiantraikany ratsy amin’ny atidoha

Sample post image

Marobe ny malagasy ankehitriny no zatra mihinana hani-masaka eny amin’ireo mpivarotra amoron-dalana. Noho ny rotorom-piainana sy ny hamoran’ireny sakafo ireny amin’ny ankapobeny no mahatonga izany.

05-avril-2022

 Efa tsy mifidy saranga intsony anefa izy ity fa na ireo heverina ho mpanam-bola aza dia efa manenjika ireo sakafo hamidy 1500 Ar ny iray lovia. Tokony ho fantatry ny rehetra anefa fa misy fiantraikany eo amin’ny saina ny fanaovana izany nok sady mampihena ny hafanana ao an-tokantrano ihany koa.Fanadihadiana mifandraika amin’izay no entin’ny gazety Tia Tanindrazana amintsika anio.
TSY MANARAKA NY FENITRA ARA-PAHASALAMANA
Ekena fa mahavonjy sy mahafa-pahasahiranana ny fihinanana hani-masaka eny amoron-dalana saingy tsy manaraka ny fenitra ara-pahasalamana izy ireny. Misy amin’ireo mpivarotra raha araka ny hita eny rehetra eny no tsy mampiasa savony akory rehefa manasa amin’ny lovia sy sotro fa kobanina kely amin’ny rano eran’ny zinga dia vita . Olona 60 isan’andro anefa raha kely no mifandimby mihinana amin’izany fitaovam-pihinanana izany izay samy manana ny toe-pahasalamany avokoa. Tsy vitsy amin’izy ireny ihany koa no tsy mampiasa ilay fitaovana fanasan-tanana. Tamin’ny andro nampahazo vahana ny valan’ aretina COVID 19 no mba tazana kely izy ireny fa raha vantany vao tsy nisy ny mpanara-maso dia tsy nampiasa intsony ny ankamaroan’ireo mpivarotra hani-masaka amoron-dalana. Ny toerana hivarotana moa dia tsy lazaina intsony. Izay toerana hita fa be olona dia saika ahitana azy ireny avokoa na dia akaiky fako sy trano fivoahana aza. Tsy mahagaga araka izany raha betsaka ireo tratry ny aretin-kibo.
TSY MAINTSY MAKA TOMBONY
Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra hani-masaka iray dia sitrak’izy ireo ny hanao zavatra tsara ho an’ny mpanjifa saingy tsy afa-manoatra izy. Ny olana anefa hoy ny Renim-pianakaviana iray dia mamelona anaka sy mitady vola ohatra ny rehetra ihany koa izahay ireny izay zavatra hita fa mora sy hahazoana tombony no tsy maintsy hampiasaina. Ho an’ny vary ohatra dia voatery mampiasa karibonetra kely ny sasany amin’izy ireny, indrindra fa ireo mivarotra vary 500 Ar. Stock ihany koa ny ankamaroan’ny vary hampiasaina. Ho an;ireo vary karazany mba tsaratsara rahateo efa mahatratra 800 Ar ny iray kapoaka ankehitriny. Mba hanomezana tsiro ny laoka indray dia tsy maintsy mampiasa karazana tsiro toy ny vitsin izy ireny mba hitazonany ireo mpanjifany. Ny resaka menaka moa tsy lazaina intsony. Misy maharitra 3 andro ny an’ny sasany ny menaka hanendasany indray mandeha vao lany. Noho ny halafosan’ny menaka no anton’izany izay menaka amin’ny barika na ireo karazany efa mandry ihany koa fa tsy mbola nisy aloha hatreto ny nampiasa ireo menaka efa voavoatra anaty tavoahangy mihidy.
MANKARARY
Tena mankarary ny fihinanana hani-masaka eny amoron-dalana araka izany na vary io na composé na lasopy …. Ny vavony aloha no tena henjehin’izy ireny raha araka ny fanazavan’Atoa Mandimbison Rija eo anivon’ny Centre Aina Soa etsy Namontana. Mety ho tratra ihany koa ny voa vokatry ny menaka diso tafahoatra hanina raha tsy lazaina intsony ny goty ateraky ny fihinanana hanina matsiro misy ireo karazana vitsin…… hoy hatrany izy. Ny tena mampalahelo ihany koa hoy hatrany ity mpitsabo iray ity dia mahazo laka tanteraka ilay fahazarana koa na ilay fifankatiavan’ny mpianakavy mandritra ny fotoana hisakafoanana aza lasa tsy misy intsony. Ilay fahazarana no mahazo laka hoy hatrany izy hany ka lasa mangatsiaka ny ao an-tokantranony. Tena zava-dehibe ho an’ny fianakaviana anefa hoy hatrany izy ilay fotoana hiarahana misakafo iny hahafahana mifampizara ny manta sy masaka eo amin’ny mpianakavy.
MISY FIANTRAIKANY AMIN’NY SAINA
Farany izay tsy kely akory dia misy fiantraikany goavana eo amin’ny saina ny fihinanana sakafo tsy ara-dalana sy tsy ara-pahasalamana toy ny hita eny amin’ny sisin-dalana. Rehefa tsy ara-pahasalamana sy tsy ampy mantsy ny sakafo raha araka ny fanazavan’ny psikology iray dia tsy mahagaga raha tsy haranin-tsaina ihany koa ny olona. Domadoma eny foana ilay olona hany ka mora hambakaina raha miala ao aminy ihany koa ilay saina tia karokaroka izay takian’ny hasarotan’ny fiainana ankehitriny. Mitaiza ihany koa ilay loto raha araka ny fanazavany. Na izany fahazarana manasa tanana mialoha sy aorian’ny sakafo aza tsy misy intsony, fihetsika izay tena lehibe tokoa ao anatin’ny fitandroana ny fahasalamana. Raha fehezina dia manakarontana fiainana ho azy ny fahazarana mihinana hani-masaka eny rehetra eny raha araka ny fanazavan’ity psikology ity no sady miteraka havoretrana ihany koa. Na izany aza anefa dia mbola tsy ahitan’ny fanjakana vahaolana mihitsy ny mikasika azy ity. Vao mainka mirongatra sy mahazo vahana aza vokatry ny hasarotan’ny fiainana sy ny tsy fahampian’ny asa fivelomana.
Pati
Legende : Misy mampidi-bola hatrany amin’ny 40.000 Ar isan’andro ireo mpivarotra hani-masaka .
 

Dans la même rubrique

10-mai-2024

Mahatratra 13.000 Euros ny vola ilaina raha handidy fo any am-pitandranomasina ho an’ny zaza iray.

Card image cap
08-mai-2024

Tsy ny lehibe ihany no mahita faisana vokatry ny fiparitahan’ny tsimok’aretina Vih/SIDA

Card image cap
08-mai-2024

Mirongatra fatratra ny aretina tazomoka any amin’ny distrikan’i Moramanga.

Card image cap