Nisy toe-javatra nampiahiahy nitranga tao amin’ilay sambo fitsangantsanganana MV Hondius nanomboka ny volana May , izay nahitana fiparitahan’ny Hantavirus ka araka ny voalaza dia misy ireo olona narary sy namohy ny ainy . Niparitaka tamin’ny vaovao tany amin’ny firenena maro izany, ani-san’izany i Frantsa. Tany Frantsa, vehivavy iray naverina avy tao amin’ilay sambo no voamarina fa voan’ilay aretina. Taorian’izay dia olona 22 nifandray taminy no apetraka eo ambany fanaraha-maso akaiky. Na dia mampanahy aza ny Hantavirus, dia manamafy ny manam-pahaizana fa tsy mora miparita-ka izy io , satria mila fifandraisana akaiky sy maharitra vao mety hifindra. Amin’izao fotoana izao, mbola manohy manara-maso akaiky ny toe-draharaha ny manampahefana mba hifehezana ny tranga sy hisorohana ny fiparitahana io valanaretina io .
Mety hiparitaka ka hatratra firenena maro toy ny COVID 19 ve io valanaretina io ?ary mety hisy fiatraikany @ny resaka fizahantany ?