airtel

Fahasalamana

13-avril-2023

Fahasalamana

Homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza Mitombo isa ireo vehivavy voany eto amintsika

Sample post image

Mitombo isa hatrany ireo vehivavy tratran’ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza eto amintsika.

13-avril-2023

Efa mahatratra 44 isa ao anatin’ny 100.000 mantsy izany noho ny tsy fanaovana fitiliana raha 25 isa amin’ny 100.000 kosa any ivelany. Manoloana io tranga io dia nitsangana ny ONG « Douleur sans frontière’ hanampy ireo vehivavy eto amintsika. Hiasa amina toerana roa lehibe izy ireo dia ny eto Antananarivo sy any Mahajanga ao anatin’ilay loha-hevitra hoe : vehivavy tsara karakara lavitry ny fanaintainana. Ankoatra ny fanentanana ny vehivavy dia hampanao fitiliana maimaimpoana ny vozon’ny tranon-jaza ihany koa izy ireo izay tokony hataon’ny vehivavy iray indray mandeha isaky ny 3 taona raha ela indrindra, manomboka eo amin’ny faha- 20 taonany ka hatrany amin’ny 50 taona any ho any. Vehivavy miisa 1100 no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany. Ho an’ireo efa marary sy misedra olana toy ireo efa tratry ny homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza amin’ny sokajy ambony moa dia manohana ara-tsaina azy ireny ihany koa ity ONG iray ity. Natomboka tamim-pomba ofisialy omaly tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny hetsika.
Pati
(Sary fanehoana)
 

Dans la même rubrique

12-avril-2024

Tontosa ny 5 aprily teo, raha tokony ho efa vita ny 29 martsa, ny fandraketana an-tsoratra

Card image cap
12-avril-2024

Tena ilaina ny fanaovana fanatanjahantena ho an’ny olon-drehetra.

Card image cap