airtel

Fahasalamana

28-janv-2026

Hopitaly HJRA Ampefiloha

« Tafahoatra ny tsy firaharahiana

Sample post image

sy avonavon’ny mpiasa sasany ! »

28-janv-2026

Misy ny fandraisana an-tanana mendrika eny amin’ireny hopitalim-panjakana ireny, fa eo ihany koa anefa ny fitarainana manodidina ny fihetsika, fomba fandraisana, fanavakavahana,… mahazo ny marary sy ny mpitondra marary. Anisan’izany ny tranga tao amin’ny HJRA ny alatsinainy 26 janoary 2026, araka ny fitarainana nentin’ireo mahatsiaro lasibatra. Nentina niditra ny marary izay efa hitan’ny dokotera mpitsabo fa mila ampidirina hopitaly any amin’ny fameloman’aina, satria mila oxygène maika noho ny fahasahiranana amin’ny fifohana rivotra. « Rehefa tonga tao dia nilazana fa tsy misy oxygène, fa ny ato dia efa natao ho an’ny mararinay. Ny vao miditra izany dia tsy kaonty, satria tsy mararin’izy ireo », hoy izy ireo. Tsy maninona fa hitady izahay hoy ny mpitondra marary. Nametra-panontaniana izy ireo hoe tamin’ny firy no nomena paracétamol? Dia lazaina ny ora, sady nanontany ihany hoe paracétamol angaha moa fanafody fo? Efa « antalgique » izany hoy ny valinteny an’avona. Marihana, hoy ny fitarainana fa tena tsy misy mihitsy ilay atao hoe « prise en main » na fandraisana-tanana. Efa sempotra be amin’ny resaka fo sy asthme. Fa dia miady amin’ny olona mihitsy tao amin’ny avonavona sy tsy fahatomombanan’ilay « prise en main ». Raha tsy efa niseho teo ny reniny, izay dokotera efa niasa tao amin’ny HJRA, dia izay vao nahazo fitsaboana. Tsy nahazaka ny toetran’ireto mpiana-draharaha dia tena niteny mihitsy hoe: “Mahaiza manaja olona, mahaiza manaja ny marary, ary manajà ny zoky fa dokotera tato aho. Mahita izao toe-tsainareo izao.” Izay vao niondrikondrika daholo, menatra izy rehetra,… hoy ny fitantarana voaray.
IZAY TSY MAHALALA OLONA SAHIRANA ?
Mahonena ny mahita ny marary ampatoriana ambony « drap » iray eo amin’ny tany. Mbola asaina mikisaka aza fa hoe mbola antonona olona telo eto, na dia efa hita aza fa tery. Na tsy misy fandriana azo omena ny marary aza, dia tokony hisy fandraisana an-tanana anaty fitiavana sy fahaiza-mandray olona, satria sady mijaly ny marary no marary koa ny mpanaraka, hoy hatrany ny fitarainana. “Tsy marary matoa tsy miteny” hoy ny sasany, sady mikitakita miteny izany, nefa hita fa efa tena reraka tsy hahaloa-peo ny marary. « Mampalahelo, manafintohina, mahatezitra satria misy marary jeren’izy ireo tena antsakany sy andavany, ary hakana « brancard » malaky, afindra ambony « chaise roulante » satria olom-pantatra sy atahorana ve ny mpanaraka azy? Ary ireto matory amin’ny tany mba ahoana? Mitaraina sy mikaikaika ny mpanaraka azy ireo no misento lalina hoe: “Mba ahoana izany ny momba ireto mararintsika ireto? Tsy afaka miteny fa miandry ny sitrapon’izy ireo? Izay tiany no atao?” », hoy hatrany ny fitantarana sy fanairana. « Tokony mba hojerena akaiky izany, fa aina ange ry olona no lalaovina ao e ! Hopitalim-panjakana ambonin’izay ! Ity avonavona, kitakita, vava ratsy, fanilikilihana ny tsy mahalala olona, ny tsy fisian’ny fandraisana-tanana na « prise en main » mihitsy no tena mahatezitra, indrindra moa fa ao amin’ny fameloman’aina no tena ahitana izany. », hoy ny antso avo. Irariana mba hisy ny fandraisana andraikitra, ary ny famoahana ny tranga tahaka itony dia tsy natao hanaratsiana ny hopitalim-panjakana sanatria fa kosa mba hisian’ny fanatsarana.
Toky R

 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nosantarina omaly teny amin’ny Hôpitaly Miaramila

Card image cap