Tsy voatery ho amin'ny vanim-potoanan'ny ririnina tahaka izao ihany koa fa azo hatao amin'ny vanim-potoana rehetra. Ny fahadiovana no tena zava-dehibe hoy dokotera Fidy Bariniaina arahin'ny fitandremana. Na izany aza dia nomarihiny fa manana safidy tsara ny Ray aman-dReny. Isaky ny vanim-potoanan'ny ririnina tahaka izao no tena mahazatra ny olona eto amintsika izay tsy hita ny maharatsy azy . Antony hoy izy dia mba tsy hahaela fery ilay zaza. Na izany aza dia nomarihiny manokana fa na dia tsy amin'ny ririnina aza no hatao didim-poitra ilay zaza ka tsy manaraka toro-marika tsara ny Ray aman-dReny no sady tsy voatandrina ilay zaza dia ela foana vao sitrana ny fery. Tsiahivina fa efa mahatratra 3 hetsy Ar amin'izao ny manao didim-poitra zaza iray. Samy manana ny azy ireo dokotera maro eto an-drenivohitra fa amin'ny ankapobeny dia ilay sarany 40.000 ka hatramin'ny 60.000 Ar no tena zakan'ny sarababem-bahoaka.
Pati
Légende : Amin'ny fomba Amerikana ny fanaovana didim-poitra tena mety amin'ny olona amin'izao