Fifandonana mahatsiravina eo amin’ny aretina sy ny ady”, hoy ny lehiben’ny OMS Tedros Adhanom Ghebreyesus raha niresaka ny zava-misy any amin’ny repoblika demokratikan’i Congo izy. Mampanahy ny fiparitahan’ny valanaretina Ebola any RD Congo ka voatery namoaka fanairana ara-pahasalamana maneran-tany ny OMS. Viriosy Bundibugyo no mahatonga azy, ary mbola tsy misy vaksiny na fitsaboana manokana hiadiana aminy. 50% ny risika mety hahafaty ireo olona voan’ ity aretina ity. Araka ny tarehimarika ofisialy, efa mihoatra ny 900 ireo tranga ahiahiana ary olona 220 no ahiana ho namoy ny ainy tao anatin’ny 12 andro voalohany nisian’ny valanaretina. Efa hita any amin’ny faritany 3 ao RD Congo sy any Ouganda ihany koa ilay viriosy. Nilaza ny talen’ny OMS Tedros Adhanom Ghebreyesus fa manasarotra ny ady amin’ny valanaretina ny tsy fandriampahalemana sy ny fifandonana mitam-piadiana, satria maro ny olona voatery mifindra toerana ary lasa sarotra ny fitsaboana sy ny fanaraha-maso ireo marary.
Vanyah (stagiaire)