Ny maha be aretina eto Antananarivo, hoy izy, dia ny resaka loto. Io fakon’Antananarivo miangona lava io. Ny loton’Antananarivo dia mitondra aretina amin’ny vatana. Eo koa ny menaka ampiasaina amin’ny sakafo. Ireny menaka mandry amidy ireny. Ny sakafo tsy misarona. Ny eto an-tanàna manao mofo daholo satria eo ny fahantrana. Efa tsy mahavatra manasa tanana amin’ny savony intsony koa moa isika. Ny vidina savony iray efa 1000 na 2000 Ariary. Tsy ny olona rehetra intsony no maharaka an’ilay izy. Izany no antony mahatonga io aretina mifandraika amin’ny sofina marobe amin’izao io. Etsy ankilany, mahita isika hoe olona 14 taona dia efa tratry ny AVC. Resaka sakafo koa no mahatonga an’io. Tonga eto amintsika ireny sakafo simika ireny. Io paty io dia mbola misy ilay saosy miaraka aminy. Ireto akoho fakana nofo be dia be eran’ny tanàna ireto. Tsentsina ny lalan-drà. Tsy manaraka fenitra intsony ny menaka ampiasaina eny an-tsena no sady miampy ilay saosy voatabia sy vary stock tonpon izay tsy mahasalama. Eo ny adin-tsaina. Kely dia efa misy rarin-tsaina. Itony resaka telefaonina itony. Tsara ny fandrosoana fa miasa ao anatin’io telefaonina io ny maso sy saina fa tadidio. Miari-tory amin’ilay telefaonina dia reraka ny atidoha. Tsy ampy ny torimaso. Raha tokony hatory adin’ny 8, 10, 12 dia zara raha adin’ny 5 nefa izy 14 taona. Ny fisorohana aloha izany dia mila diovina ny sofina. Fadiana ny misikotra sofina amin’ny hoho satria ny hoho mitana mikraoba. Fadiana koa ny misikotra sofina amin’ny “coton tige”. Lamba maina tsy misy volombolony no tsara amafana sofina. Raha azo atao dia aleo tsy mampiasa ireny fihainoana na kaska sy “écouteur” ireny, hoy hatrany ity mpitsabo ity.
J. Mirija
Olona miisa 30 no fantatra fa matin’ny aretina tsy fantatra tany amin’ny distrikan’Ikongo.
Ny 40%-n’ny Malagasy no fantatra fa lasibatry ny tosi-dra avo amin’izao.