iray monina eny Itaosy vao nety nifora, raha ny fampitam-baovao voaray omaly. Tahotry ny tsy hiditra am-pasan-drazana no antony mbola nandrisika azy hiditra tamin'izany lalana izany, raha ny voalaza ihany. Efa manambady izy amin'io. Mazava ho azy fa tsy "forazaza" intsony kosa angamba no fiantso an'ity tranga iray ity, hoy ny vazivazin'ireo mpanontrona sy manodidina. Na izany na tsy izany dia heno mbola nanako ihany aloha ny fiarahabana sy firariantsoa samihafa toy ny hoe "Arahaba ririnina!" sy ny hoe "lahy ialahy anio!".
Nangonin'i J. Mirija