airtel

Fahasalamana

21-déc-2022

Fahasalamana

Mandritsara Vehivavy 5 tratran’ny SIDA tamin’ity volana desambra ity

Sample post image

Olona miisa 5 izay fantatra fa vehivavy avokoa no lasibatry ny aretina SIDA any amin’ny distrikan’i Mandritsara tamin’ity volana Desambra ity.

21-déc-2022

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia miisa 18 ireo natao fitiliana ka ny 12 tamin’ireo dia vehivavy avokoa raha lehilahy ny 6. Ny 5 tamin’ireo vehivavy 12 ireo araka izany no fantatra fa mitondra ny tsimok’aretina VIH/SIDA ka ny roa efa manam-bady raha mbola tokantena kosa ny 3 hafa. Ireto vehivavy miisa 5 ireto moa no fantatra hatreto fa ny ankoatra izay mbola tsy hay indrindra fa ho an’ireo tsy manam-bady miisa telo ireto ka tsy mijanona amina olon-tiana iray. Manao antso avo amin’ny mponina araka izany ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’ny distrikan’i Mandritsara mba samy hihazakazaka hatao fitiliana ny tenany hisorohana ity areti-madoza ity tsy hiparitakabe. Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

03-mai-2024

Mihatanora hatrany ireo olona lasibatry ny karazana areti-mandoza eto amintsika.

Card image cap
02-mai-2024

Mihatanora hatrany ireo olona mitondra ny otrik’aretina Vih/SIDA eto amintsika.

Card image cap
02-mai-2024

Mandeha tsara amin’izao fotoana izao ny famokarako, hoy ny mpitsabo nentim-paharazana avy ao Ambohimafana,

Card image cap