Zazalahy kely vao enim-bolana monja i Amediokely, mponina avy any Andemaka, distrikan’i Vohipeno. Raha tsiahivina dia tsy tomombana ny fitaovam-pananahan’ity zaza tsy manan-tsiny ity hany ka tsy afaka nivalan-drano toy ny zaza rehetra izy. Raha hiverenana ny zava-nisy dia nandritra ny fandalovan'ny vadin'ny Filohan’ny fanavaozana Rtoa Randrianirina Elysa tany Vohipeno no nahitana ny tsy fahasalamana nianjady tamin’i Amedio kely. Nanapa-kevitra ny Fanjakana noho izany fa hotsaboina eto Antananarivo i Amedio kely. Ny 08 Septambra lasa teo no nanomboka ny fandraisana an-tanana azy ka ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka ny dokotera Managna Monira no nitsena ilay zaza sy ny fianakaviana teo am-pahatongavana. Nanomboka teo ny fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana ary ny fandidiana. Noho ny fahaiza-manaon’ ireo mpitsabo sy ny fanohanan’ ny Fanjakana Malagasy moa dia sitrana soa amantsara ilay zaza ka omaly Alakamisy 6 Oktobra no lasa nitodi-doha ho any Andemaka Vohipeno izy dimy mianaka. Marihana moa fa zanaka faha-4 ny Ray aman-dReniny i Amedio kely. Kambana izy fa salama tsy nisy olana kosa ny iray. Velom-pisaorana tanteraka ny vadin'ny Filohan’ ny Fanavaozana sy ny Ministry ny Fahasalamana ireo Ray aman-dRenin'i Amedio kely noho izany.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy 4 mianaka kely!