airtel

Fahasalamana

06-mai-2026

ONIVERSITE-N'I MAHAJANGA

Mpianatra 13 tratry ny

Sample post image

fahapoizinana ara-tsakafo

06-mai-2026

Mpianatra 13 mianadahy, mianatra ao amin’ny Oniversiten'i Mahajanga no tratry ny fanapoizinana ara-tsakafo ny Sabotsy 02 Mey lasa teo. Raha ny fanazavana nomen’izy ireo dia ny nihinana salade de patte tamina toeram-pisakafoana iray tao Ambohimandamina izay efa mahazatra azy ireo izy ireo. Vokatry ny fihinanana izany sakafo izany no nahatonga ilay aretina . Nisy tamin’izy ireo no efa nahatsapa ny fiovan’ny tsiro tamin"ilay sakafo tamin’io fotoana io ihany hoy ny loharanom-baovao azo saingy noho ny fahatokisana dia nihinana ihany. Efa nampandre ny tompon’ilay gargotte fisakafoana ireo mpianatra ireo. Fanina, nandoa ary nivalana no fitrangan'ny aretina. Efa manaraka fitsaboana avokoa ao amin’ny CHU Mahavoky Atsimo Mahajanga moa ireo tanora ireo ary efa betsaka ny nalefa nody satria efa sitrana. Nanamafy ireo tompon'andraikitra ao amin'ny CHU Mahavoky Atsimo fa tsy misy atahorana ny fahasalaman"izy ireo.
Pati
Légende : Santionany amin'ireo tanora manaraka fitsaboana !
 

Dans la même rubrique