airtel

Fahasalamana

17-sept-2025

RIVOTRA MALOTO SY NY FAHASALAMANA

Ny ao an-trano no tokony hotandremana hoy Dr Fidy

Sample post image

Manomboka miditra tsikelikely mankany amin'ny

17-sept-2025

vanim-potoanan'ny hafanana isika eto afovoan-tany ankehitriny. Betsaka ireo tsy mahazaka izany fiovan'ny toetr'andro izany arahin'ny rivotra maloto ateraky ny fiara mivezivezy etsy sy eroa sy ny setroka havoakan'ny ozinina isan'andro. Nambaran'ny dokotera Fidy Bariniaina fa efa tranga tsy azo ialana intsony ireto farany fa tsy maintsy hiainana isan'andro. Ny ao an-trano no tokony karakaraina tsara noho izany hoy izy, indrindra fa ny ao amin'ny efitrano fatoriana. Tokony ho tratry ny andro sy hivezivezen'ny rivotra tsara izany hoy izy. Tsy tokony ho be fanaka ihany koa fa azo fafana sy diovina tsara rehefa maloto. Hisorohana ny aretin'ny taovam-pisefoana toy ny kohoka sy ny sery no tanjona. Mikasika ireo olona any ambanivohitra miara-miaina amin'ny biby fiompy moa dia nambaran'ny dokotera Fidy fa tena tsy mety ireny fa mandoto ny rivotra iainana ka mety hiteraka voka-dratsy amin'ny fahasalamana.
Pati
Légende : Izy no dokotera Fidy Bariniaina, sady depiote voafidy tany Manjakandriana !
 

Dans la même rubrique

29-mai-2026

Ebola ny tsy fandriampahalemana

Card image cap
29-mai-2026

Na zaza vao teraka aza dia azo hatao didim-poitra.

Card image cap