Mandray marary 3.000 isa isam-bolana ny sampana vonjy aina eo anivon'ny hopitalim-oanjakana HJRA etsy Ampefiloha. Ny 1/4 amin'ireo dia saika atahorana avokoa ny ainy ka ilana fitaovana harifomba sy dokotera manam-pahaizana. Izany indrindra omaly no antony nanoloran'ny ONG Chaine de l'espoir fanampiana ara-pitaovana sy fanafody ho an'ny hopitaly tamin'ny alalan'ny masoivoho Frantsay miasa sy monina eto amintsika Atoa Arnaud Guillois. Nambaran'ity tompon'andraikitra farany fa mifanohana sy miara-miasa hatrany ny firenena Malagasy sy Frantsay entina hanasoavana ny vahoaka. Ankoatra ny hopitalim-oanjakana HJRA mantsy dia nahazo ny anjarany ihany koa ny hopitalin'ny miaramila eny Soavinandriana, fidinana ifotony efa fanindroany izao no notanterahin'izy ireo. Tsy hijanona hatreo moa ny fiaraha-miasan'ny roa tonta fa hisy koa atsy ho atsy ny fanomezana fiofanana ho ana mpitsabo Malagasy miisa 24 mba ho matihanina sy ho voky traikefa izy ireo arahina fifanakalozana traikefa eo amin'ny roa tonta. Marary miisa 99 koa moa no fantatra fa horaisin'izy ireo an-tanana ny fikarakarana azy. Ny Agence Française de développement no mamatsy vola ity ONG iray ity.
Pati
Légende : Nandritra ny fanolorana ny fitaovana omaly !