airtel

Fahasalamana

28-avril-2026

TONGA HATRANY

MAHAJANGA NY AMBALAVELONA

Sample post image

Ankizivavy kely 50 isa indray no lasibatra omaly

28-avril-2026

aorian'ny tany amin'ny distrikan'i Mandritsara sy ny teny Ambohijafy Fenoarivo Atsimondrano dia manafika any Mahajanga Faritr'i Boeny indray ny aretina ambalavelona. Ankizivavy kely miisa 50 izay mbola mpianatra avokoa no fantatra fa lasibatr'ity aretin-dratsy ity tany an-toerana omaly Alatsinainy 27 Aprily. Sekoly tsy miankina iray ao Mahajanga no nolalovan'izany. Manodidina ny 11 ka hatraminy 18 taona eo avokoa izy ireo raha ny vaovao voaray .Vokany, voatery nalefa nody avokoa ny mpianatra ary nakatona ny sekoly. Mihiaka sy mitomany ireo mpianatra voany, mivoaka vorombava ihany koa ny sasany no sady mihinjitsinjitra. Efa mandeha moa ny fanadihadiana hataon'ireo tompon'andraikitra any an.toerana mikasika ity tranga ity koa andrasana izay mety ho tohiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Tao amin'ity sekoly ity no nitrangan'ilay aretina ambalavelona !
 

Dans la même rubrique