airtel

Fampianarana

27-sept-2023

Fampianarana

ADPM-Vovom-pirenen’ny sekoly tsy miankina

Sample post image

Mahatratra 50% ny fihenan’ny tahan’ny fidirana an-tsekoly”

27-sept-2023

Mihena an-toerana toy ny fen’antitra ny tahan’ny fidiran’ny mpianatra an-tsekoly vokatry ny fahantrana mihana eto amintsika. Ny eny anivon’ny tontolo ambanivohitra no lohalaharana amin’izany raha araka ny tatitra nataon’ireo vondron’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny "Plateforme de la direction nationale de l’enseignement privé" sy ny ADEPM. Nambaran’izy ireo fa noho ny fitotonganan’ny fampianarana sy ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny no antony lehibe mahatonga izany. Manampy trotraka ny fiakaran’ny vidin’ny fitaovam-pianarana isan-taona izay efa nahatratra hatrany amin’ny 20% mahery tamin’ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Eo ihany koa ny fisian’ny vola aloha hatrany eny anivon’ireo sekolim-panjakana izay manomboka amin’ny 40.000 Ar ka hatramin’ny 80.000 Ar ho an’ny eny anivon’ny sekoly ambaratonga fototra, ny CEG ary ny lisea. Tsiahivina moa fa raha ny fanabeazana no antoky ny fampandrosoana ny firenena iray dia efa karazan’ny fanabadoana ny zaza Malagasy mihitsy ny zava-misy eto amintsika. Hakarina ny vidin’ny fitaovam-pianarana, tsy manana asa mahavelona ny Ray aman-dReny …politika iray hampihenana ny fahaizan’ny taranaka mba hahafahan’ny sasany manjaka hatrany.
Pati
Legende : Na ny eny anivon’ny sekolim-panjakana aza amin’izao mikolay noho ny fihenan’ny isan’ireo mpianatra tonga mianatra !
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap
28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap