airtel

Fampianarana

28-févr-2022

Fampianarana

Alliance française de Tananarive Mpianatra 7268 no niatrika fanadinana ny taona 2021

Sample post image

Hasiam-panitarana ny Alliance Française de Tananarive (AFT) etsy Andavamamba. Ny faran'ny herinandro teo no nametrahana ny vato fototry ny asa fanamboarana,

28-févr-2022

hetsika tafiditra tao anatin'ny fankalazana ny faha-75 taonan'ny AFT. Tonga nanokatra ny fotoana ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena sy ny Ministry ny kolontsaina izay samy nahatsapa ny lanjan'ny Aft amin'ny resaka fanabeazana eto amintsika. Zanaka malagasy maro tokoa mantsy no efa nahazo tombontsoa tamin'izany. Raha niisa 4496 ireo mpianatra niatrika fanadinana tao amin'ny Alliance tamin'ny taona 2020, dia tafakatra 7268 izany tamin'ny taona 2021. Ezahina hatrany ny hanampy ireo ankizy sy tanora malagasy amin'ny fifehezana ity tenim-pirenena iray ity. Marihina moa fa anisan'ireo 10 voalohany ao anatin'ireo Alliance française miis 830 manerantany ny alliance Française d'Antananarivo.Mbola izy ihany koa no voalohany eto amintsika amin'ireo alliance française miisa 29 manerana ny Nosy. Tsiahivina moa fa haharitra volana maromaro ity fankalazana ny faha-75 taonan'ny Alliance Francaise d'Antananarivo ity. Hisy ny fampirantiana an-tsary mandritra izany entina hampahafantarana ny lalana nodiavin'ny Alliance Française sy ireo mpitantana nifandimby tao aminy.
Pati
Legende : Raharinosy Monique, filohan'ny filan-kevi-pitantanana eo anivon'ny Alliance Française d'Antananarivo
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap