airtel

Fampianarana

26-avril-2024

Mampiaka-peo ny mpampianatra ao Bongolava

“Ampiharo ny didim-pitsarana managadra ny DREN”

Sample post image

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

26-avril-2024

mahakasika ny raharaha nanamelohana ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena na ny DREN ao Bongolava ireo mpampianatra maro izay nitory io tompon’andraikitra io. Voasazy 2 taona an- tranomaizina sy handoa onitra amin’ireo mpampianatra saingy mirehareha fa manana mpiaro matanjaka? Nanao fanambarana tamin’ny haino aman-jery mantsy ireo mpampianatra izay mikaikaika fatratra noho ny nafitsoky ny DREN Atoa Rakotonirainy Tefiarisoa Joseph tamin’izy ireo. Tsy misy fampiharana ny didy navoakan’ny “Cour d’appel” hoy ireto mpampianatra ireto, ary vao mainka mirehareha fatratra ity rangahy ity fa tsy misy mahavita mampigadra azy izany raha mbola eo ny olona ambarany fa ao an-damosiny, ka olom-boatendry iray lohan’ny mpisorona anaty antoko iray, olom-boafidy iray ao Bongolava, ary Mpikamban’ny governemanta teo aloha iray izay efa nametra-pialana noho ny maha kandida depiote azy ireo tontonina ho mpiaro ireo, araka ny filazan’ireo mpampianatra. Mitaraina araka izany ireto mpampianatra izay efa nitory fa voasolokin’ity DREN ao Bongolava ity. Maro ny mpampianatra efa nofitahiny, hoy ny fanambarana, ka rehefa nitory izy ireo dia nivoaka ny didy tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, ary taorian’izay dia niakatra tao amin’ny “Cour d’appel” ka ny tao indray no namoaka didy tamin’ny 05 febroary lasa teo, mikasika azy izay sazy an- tranomaizina mandritra ny 2 taona sy fandoavana onitra 4 tapitrisa ariary isanisany amin’ireo mpampianatra nitory azy. Nisy mihitsy ny didy fampisamborana teo no ho eo mikasika azy io raha ny fanazavana hatrany, ary nohamarin’ny lehiben’ny Mpiraki-draharaha eo anivon’ny cour d’appel eto Antananarivo ny 02 aprily lasa teo ny baiko hampiharana izany didy izany miantefa amin’ny vadintany, ny mpitandro ny filaminana, ny tonia mpampanoa lalàna, ny tribonaly ambaratonga voalohany ao Tsiroanomandidy. Raha ny filazan’ireto mpampianatra niresaka tamin’ny mpanao gazety omaly tao Tsiroanomandidy ireto dia tsy misy ny fampiharana io didy io hatramin’izao. Ary ity tsy fampiharana didy ity mihitsy no vao mainka mampirehareha an’ingahy io, hoy izy ireo, fa lehilahy izay mahavita mampigadra azy izany raha mbola eo ireo olona telo notononiny ireo. Manao antso avo amin’ny filoham-pirenena araka izany ireto mpampianatra voasoloky ao Bongolava ireto, fa tena mandoto ny anaran’ny filoha sy ny fitondrana io fireharehan’ny DREN ao an-toerana io. Mangataka ireo olona ireo mba hampiharana ny sazy amin’ingahy DREN io sy hamerenana ny volan’izy ireo. Tsiahivina fa resaka fakàna vola tsy ara-drariny sy am-pitaka tamin’ireo mpampianatra no nitorian’irreo an’ity talem-paritry ny fanabeazam- pirenena ao Bongolava ity, izay notsipihan’ireo mpampianatra fa nilaza ny DREN fa horaisina ho mpiasam- panjakana raikitra izay mpampianatra manefa ny vola…, araka ny fanazavan’ireo milaza ho lasibatra. Tsy anisan’ireo tafiditra sy voaray ho mpiasam-panjakana akory anefa ireo mpampianatra am- polony nahazoany vola, ka rehefa nanontany ny momba azy ireo dia narirariran’ingahy DREN sy ny ekipany hatrany ary izao niafara tamin’ny fitoriana izao. Andrasana ny tohiny sy ny ny mety ho setriny avy amin’ny ankilany, fa raha ny lalàna dia heloka ary henjehin’ny lalàna ny fanohintohinana ny fampiharana ny didim-pitsarana.
Toky R

 

Dans la même rubrique