airtel

Fampianarana

05-oct-2026

BAKALOREA

2026 TAO VAKINANKARATRA

Sample post image

Efa mandeha ny fandoavana

05-oct-2026

ny karaman’ireo nikirakira rehetra
Tsy hataon’ny Fitondrana Fanavaozana ambanin-javatra ireo rehetra nitoto nahafotsy sy nahandro nahamasaka ny fanadinam-panjakana Bakalorea taona 2026 tany amin’ny Faritra Vakinankaratra. Nanomboka ny 02 oktobra teo ny fandoavana ny tambin-karaman’ireo rehetra nandray anjara tamin’ny fikarakarana sy fikirakirana izany, jaharitra hatramin’ny 23 Oktobra ho avy izao. Efa voafaritra ihany koa ny lamina rehetra raha ny vaovao azo ka eny amin’ireo ivon-toeram-panadinana nandraisan’ny tsirairay avy anjara no hanatanterahana ny fandoavana izany araka ny fandaharam-potoana napetraka. Etsy ankilany dia efa voaloa ihany koa ny tambin-karaman’ireo mpampianatra eo anivon’ny Oniversiten’i Vakinankaratra, na ho an’ny mpiasa raikitra izany na ho an’ireo mpiasa an-tselika. Ny mba hampizotra an-tsakany sy an-davany ny asa fampianarana eny anivon’ny anjerimanontolo ao Vakinankaratra no tanjona. Toraka izany koa ny fiatrehana ny fanadinam-panjakana Bakalorea taona 2027 indray ka tsy hisy intsony ny fitakiana sy ny fimenomenomana. An-jatony izy ireo no hisitraka izany izay samy velom-pisaorana sy mankasitraka ny Fitondrana ankehitriny avokoa.
Nangonin’i Pati
Legende : Teto amin’ny ofisian’ny Bakalorea no niainga ny fikarakarana rehetra !
 

Dans la même rubrique