airtel

Fampianarana

27-juil-2022

Fampianarana

Carrefour de la formation, des métiers et de l’emploi Tanora maherin’ny 10.000 no andrasana hitsidika azy

Sample post image

Raikitra ilay hetsika Carrefour de la formation, des metiers et de l’emploi andiany faha-6 karakarain’ny CGM na ny Goethe Zentrum Antananarivo etsy amin’ny Alliance Francaise Andavamamba.

27-juil-2022

Nosokafana tamim-pomba ofisialy omaly izany, haharitra 5 andro ka anisan’ny tanjona ny hanomezana fiofanana ireo tanora efa nahavita fianarana na koa ireo vao avy niatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea farany hanatsarana sahady ny tontolon’ny asa hatrehiny atsy ho atsy. Tanora maherin’ny 10 000 no kendrena ho avy hitsidika ny hetsika raha 8 000 isa teo ho eo izany tamin’ireo andiany maromaro teo aloha ka antsoina ho avy hatramin’ireo mpianatry ny lisea. Hanampy tosika ity hetsika ity ny minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa. Manana ny rafitra entina hanohana sy hanampiana ny tanora amin’ny alalan’ilay vovonana hanampiana ny tanora izy ireo, tohanan’ny birao iraisam-pirenena momba ny asa. Hizara roa mazava tsara io dimy andro io ka ny 3 andro voalohany hiompana amin’ny fampiofanana sy fifanankalozana raha natao hampiratiana ireo orinasa sy mpandraharaha maro samihafa kosa ny 2 andro ambiny. Hisy avy hatrany mandritra izany ny fandraisana antontan-taratasy ho an’ireo vonon-kiasa izay hosantarina amin’ny alalan’ny fanaovana entretien.
Pati
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap