Ray aman-dRenin'ny mpianatra sy mpianatra manovo fahalalana eo anivon'ny CEG Andranomena, Boriborintany faha-6. Raha fahoriana hatrany mantsy no niharetan'izy ireo hatramin'izay vokatry ny tsy fahampian'ny efitranon-tsekoly dia voavaha tanteraka izany ankehitriny. Nahazo efitrano fanampiny ity CEG ity tamin'ny alalan'ny CIAD 2025. Ny solombavambahoaka Tantely Razanamandimbisoa no angady nanana sy vy nahitana izany, izay tonga teny an-toerana nitokana ny foto-drafitrasa mihitsy afak'omaly Sabotsy 08 May. Nambaran'ny talen-tsekoly Atoa Arnaud Rakotomahefa fa hatramin'izay dia voatery mifandimby ny mpianatra rehefa hianatra isan'andro. Tsy maintsy miditra amin'ny 07 ora maraina ka hatramin'ny 03 ora folakandro ny andiany voalohany raha miditra amin'ny 11 ora ka hatramin'ny 05 ora hariva ny andiany faharoa. Kilasy mitovy ihany anefa ireo fa miankina amin'ny fahalalahan'ny efitrano hafa no hahafahan'ny sasany mianatra. Rehefa fotoam-pahavaratra sy vanim-potoanan'ny ririnina mahamora maizina ny andro no tena mampijaly ireo mpianatra hoy hatrany izy. Tsiahivina moa mahatratra 900 isa ankehitriny ireo mpianatra manovo fahalalana eo anivon'ny CEG Andranomena avy amin'ireo Fokontany miisa 10 manodidina.
Pati
Légende : Nandritra ny fitokanana ny foto-drafitrasa tamin'ny faran'ny herinandro teo !
Miezaka miady amin'ny tsy fananan'asa mahazo