airtel

Fampianarana

14-sept-2021

Fampianarana

Coins jeunes TAFA Manohana ny tetikasa ACCESS ny Orange Madagascar

Sample post image

Mitondra ny anjara birikiny amin’ny programa ara-pahasalana ACCES (Accessible Continuum of Care and Essential Services Sustained

14-sept-2021

) iarahana amin’ny Minisiteran’ny fanabeazana, vatsian’ny USAID sy tarihin’ny MSH (Management Sciences for Helth) ny orinasa ara-tserasera Orange Madagascar. Manohana ny fandaharan’asa “Coins Jeunes” TAFA (Tanora Filamatra Aho) izay natokana ho an’ny tanora, ka CEG 22 amina distrika 22 no hanatanterahana izany. Natao io mba handraisana an-tànana sy hanamafisana ny fahaiza-manaon’ny tanora ho an’ny tontolon’ny fahasalamana eny amin’ny CEG amin’ireo distrika 22 ireo, izay any amin’ny Faritra Antsinanana, Atsimo Andrefana, ary Vatovavy Fitovinany. Tanjon’ny fiaraha-miasa ny hanentana sy hisintona ny tanora mba ho lasa tompondaka amin’ny sehatra ara-pahasalamana mba ho tonga “Tanora Mendrika Salama”. Ireo mpianatra amin’ireo CEG 22 ireo dia hisitraka fanabeazana feno ho an’ny fahasalamana amin’ny alalan’io “Coins jeunes” io. Ny “Coins jeunes” isaky ny CEG dia hoentanin’ny tanora mpitarika miisa 20 eny anivon’ny sekoly amin’ny alalan’ny hetsika miendrika lalao sy fanabeazana. Ao anatin’ny fametrahana ny “coins jeunes”, dia mitondra ny anjara birikiny feno amin’ny fandaharan’asa ny Orange Madagascar amin’ny alalan’ny fampitaovana ny “Coins TAFA” izay hotolorana tambajotra Internet. Hahazo tolotra manokana na “Forfaits” ireo ankizy mpanao fanentanana, ary ireo mpanabe sy mpanara-maso kosa dia homena finday miaraka amin’ny “forfaits”. Marihina fa ny 27 aogositra teo no notokanana ny “Coin jeune TAFA” voalohany any Toamasina, ary hapetraka tsy ho ela ireo “Coins Jeunes” hafa, ka ny 17 septambra ny any Manakara, ny 24 septambra ho an’i Toliara,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap