tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Fampianarana

DREN Analamanga Miverina manontolo ny fampianarana manomboka anio

Miverina mianatra avokoa ireo mpianatra rehetra manerana ny DREN Analamanga manomboka anio alakamisy 23 febroary.

23-févr-2023

Sample post image

Voakasik’izany avokoa ireo fari-piadidiam-pampianatra miisa 8 toy ny fari-piadidiam-pampianaran’Antananarivo renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Ambohitradrimo, Manjakandriana, Ankazobe, Anjozorobe ary Andramasina ho an’ny garabola, ny sekoly ambaratonga fototra, ny sekoly ambaratonga faharoa ary ny lisea miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Raha tsiahivina kely moa dia anisan’ny antony nandraisana ireo fanapahan-kevitra izao ny fahafantarana fa efa nivoaka an-dranomasina omaly tamin’ny 03 ora folakandro tany amin’ny 71 km atsimon’i Morombe ilay rivo-doza Freddy. Mihamanalavitra hatrany ny morontsirak’i Madagasikara izy raha 35 km isan’ora kosa ny hafainganam-pandehany. Faritra maro araka izany no afa-doza tanteraka. Mikasika ny fankalazana ny andron’ny sekoly manokana moa dia nanambara ny teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena fa tsy manova izay lamina efa napetraky ny sekoly tsirairay izy ireo. Na izany aza tsy miova kosa ilay fotoam-pialan-tsasatra voatondro ao anatin’ny tetiandrom-pampianarana izay hanomboka ny 27 Febroary ho avy izao ka hatramin’ny 03 Martsa. Azo tanterahina tsara ao anatin’io herinandro io araka izany ny fanenjehana ireo fandaharam-pianarana tsy tratra ho an’ireo izay tsy maintsy manao izany.
Pati
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Mpianatry ny ESPIC sy ny ISDE Hanampy ny tanora hiala amin’ny rongony sy ny fivarotan-tena
01-juin-2023

Mirongatra sy mahazo vahana ankehitriny ny fandraisan’ireo tanora zazalahy sy zazavavy rongony raha toraka izany ihany koa ny resaka fivarotan-tena eto amintsika.

Voir plus