airtel

Fampianarana

07-avril-2022

Fampianarana

EPP Ankofafa Fianarantsoa Latsakemboka 4 tapitrisa Ar voahodinkodina

Sample post image

Mpikambana ao anatin’ny Fikambanan'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra miisa 5 no fantatra fa arahi-maso ara-pitsarana ao Fianarantsoa.

07-avril-2022

Raha araka ny fantatra dia nanodinkodina vola mitentina 4 tapitrisa Ar izy 5 mianadahy ireo nandritra ny taom-pianarana 2019-2020 raha araka ny tatitry ny birao mahaleo tena iadiana amin'ny kolikoly. Tao amin'ny EPP Ankofafa Fianarantsoa no nitrangan'izany. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia voahodina tamin'ny fomba feno hafetsena io lelavola io saingy mailo ihany koa ireo tompon'andraikitra. Natao handoavana ny karaman'ireo mpampianatra mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana moa ity latsak'emboka alohan'ny fikambanan'ny Ray aman-dRenin'ny mpianatra ity. Tsiahivina fa efa mitsangana eto amintsik ny tetikasa score ankehitriny hovondronan'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpanao gazety tohanan'ny bianco. Andraikitr raisin'izy ireo ny hitory sy hotoroka ny zavatra tsy mety eny anivon'ny fiaraha-monina indrindra fa ny sehatry ny fanabeazana tahak izao.
Pati Legende : Teto amin'ity Epp iray ity no nitrangan'izany !
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap