airtel

Fampianarana

29-mai-2026

Fampiroboroboana ny tontolo nomerika

Notokanana omaly ny

Sample post image

foiben'ny UniPod

29-mai-2026

Ivon-toerana natao hanohanana ny fahaiza-mamorona, ny fandraharahana ary ny fianarana mifototra amin'ny teknolojia ny UniPod, ka manome sehatra iray ahafahan'ny hevitra mivadika ho vahaolana azo ampiharina ho an'ny firenena. Isan'ny nandray anjara tamin'ny fanatanterahana ity tetikasa stratejika ity ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy Mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, tarihin'ny Minisitra Mahefa Andriamampiadana, izay efa nosoniavina tamin'ny volana janoary 2026 lasa teo, niaraka tamin'ny Ministera voakasika sy ny PNUD. Omaly moa no nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny Tsimbazaza ny foiben' ny UniPod. Foto-drafitrasa vaovao natokana ho an'ny fanavaozana sy ny fampiroboroboana ny tontolo nomerika eto Madagasikara, nanome voninahitra izany teny an-toerana ny kolonely Randrianirina Michael.
Nangonin'i RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2026

filaminana sy ny fampandrosoana

Card image cap