airtel

Fampianarana

30-oct-2025

Fanabeazana, fampianarana,

fampananan’asa

Sample post image

Isan’ny tian’ny tanora ho ampitaina amin’ny fitondràm-panjakàna

30-oct-2025

Nisy omaly tetsy amin’ny Magro Behoririka ny velankevitra arahina adihevitra nokarakarain’ireo tanora avy amin’ny antoko politika Tiako i Madagasikara na TIM. Tanora no tena niantsehatra teny ifotony, hoy ny fanazavàna, nandritr’ireny tolona ireny. Tiana havoaka ankehitriny ny hevitra avy amin’ny tanora hitondràna ny fiovàna eto amin’ny firenena. Tiana ho ampitaina amin’ny fitondràm-panjakàna izany. Hisy ny fehinkevitra hivoaka ao aorian’izao ary izay no ho entina eny anivon’ny mpitondra fanjakàna. Isan’ny nivoitra tamin’ity adihevitra ity ny maha zava-dehibe ny fanabeazana sy fampianarana, ny fampananan’asa ho an’ny tanora ary ny fanabeazan-tena na «développement personnel», hoy hatrany ny fanazavàna voaray.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-août-2026

fikarohana mitondra fampandrosoana

Card image cap
26-août-2026

Mpitsidika mihoatra ny 20.000 isa no andrasana

Card image cap