airtel

Fampianarana

03-mai-2021

Fampianarana

Fanabeazana Miverina an-tsekoly ireo hiatrika fanadinam-panjakana

Sample post image

Mitovitovy tamin’ny zava-nisy herintaona lasa izay no mitranga eo amin’ny sehatry ny fampianarana.

03-mai-2021

 

Miverina an-tsekoly manomboka anio alatsinainy ireo mpianatra hanala ny fanadinana ofisialy dia ny CEPE, BEPC ary BAKALOREA ho an’ireo faritra mikatona dia Analamanga, Atsinanana, Sava miampy an’i Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony.Tsy mbola miverina an-tsekoly kosa ny kilasy ankoatran’ireo.Efa maro moa ireo sekoly tsy miankina no tsy niandry ny resaky ny filoham-pirenena ny alahady alina iny fa efa roa herinandro izay no nanomboka nanome enti-mody sy lesona ary mazava ho azy nitaky saram-pianarana volana aprily ihany koa.Afaka 15 andro indray izany no ho fantatra ny momba ireo kilasy ankoatry ny 7ème sy 3ème ary Terminale ho an’ireo faritra 6 mikatona; ny any amin’ny faritra tsy mikatona moa dia miverina amin’ny laoniny ny fampianarana amin’ny sokajy rehetra.Tsy maintsy manaja ny fepetra ireo sekoly raha ny toromarika ary inoana moa fa mbola hitondra fanazavana misimisy kokoa ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena.

RTT

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap