airtel

Fampianarana

07-juil-2021

Fampianarana

Fanadinam-panjakana CEPE Omaly ihany dia efa nanomboka ny fitsarana

Sample post image

Nizotra ara-dalana ny fanadinana CEPE notontosaina omaly talata 06 Jolay manerana ny Nosy. Raha ny teny amin'ny EPP Ambodin'Isotry manokana izay nanaovan’ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena Marie Michelle

07-juil-2021

 Sahondrarimalala fanaraha-maso manokana dia nanomboka tamin'ny 7 ora sy sasany maraina ny fanokafana ny valopy ho an'ny laza adina voalohany. Tamin'izany no nanamafisany ny firariantsoa ho an’ireo mpanala fanadinana rehetra. Tsy nanadino ny nisaotra ireo mpisehatra rehetra amin'ny fanabeazana ihany koa ny tenany nandritra izany. Nambaran’ ny Minisitra fa "24 tamin'ny mpiadina 771 no tsy tonga, tao amin’ity foibem-panadinana ity izany hoe eo amin'ny 96% eo ny taham-pahatongavan'ny mpiadina ». Notsinjaraina ho 42 sy 43 isaky ny efitrano 18 misy ny mpiadina tao amin'ny EPP Ambodin'Isotry", raha ny fanazavana nomen'i Ratsimbafenontsoa Olnts Thierry, lehiben’ny foibem-panadinana tao an-toerana. Tsiahivina moa Ho an’ity taona 2021 fa nahatratra 546. 365 ireo mpiadina manerana ny Nosy. Miisa 1 956 kosa ny ivon-toeram-panadinana raha 17 .747 ny isan’ny efitranom- panadinana. 5 taona ny mpiadina zandriny indrindra raha 51 taona kosa ny mpiadina zokiny indrindra. Omaly ihany moa dia efa nanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana ary ezahina havoaka faran’izay haingana ny vokatra hoy hatrany ny Ministra.
Pati

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap