airtel

Fampianarana

09-août-2022

Fampianarana

Fanadinana bakalorea Hivaly mialohan’ny faran’ny volana

Sample post image

Hivaly mialohan’ny faran’ny volana Aogositra ho avy izao ny fanadinam-panjakana Bakalorea manerana ny Nosy. Ho an’Antananarivo manokana dia fantatra fa efa voatsara hatrany amin’ny 90% ny taratasim-panadinana.

09-août-2022

Ny 10% eo ho eo sisa no hokarakaraina mialohan’ny hampidirana ny naoty ao anaty solosaina. Na izany aza anefa dia nambaran’ny talen’ny fitsarana ny fanadinana fa mbola handalo fanamarinana in-telo ny naotin’ireo mpiadina izay vao tena hivoaka ny vokatra ofisialy. Eo anelanelan’ny 13 Aogositra ka hatramin’ny faran’ny volana Aogositra no hivoahan’izany raha tsy misy ny sampona. Tsy misy ny olana eo amin’ireo mpampianatra mpitsara hoy ny vaovao. Saika tonga avokoa ireto farany nanao ny asany raha efa voaloha ihany koa ny tambin-karaman’izy ireo tamin’ny taon-dasa. Tsiahivina moa fa tsy niteraka olana mihitsy ny fisian’ilay fanampina naoty tamin’ilay taranja simia izay nisy olana ho an’ny fanadinam-panjakana Bakalorea.
Nangonin’i Pati 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap