airtel

Fampianarana

13-avril-2023

Fampianarana

Fandraisana ny Minisitry ny fanabeazana Itakiana 105 000 hatramin’ny 160 000Ar ireo ZAP any Diana ?

Sample post image

Mandeha indray ny resaka fitakiana sy fanangonam-bola hoenti-manomana ny fandraisan’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena ao

13-avril-2023

Ambilobe raha ny fitarainana voaray. Mahatratra 105 000 hatramin’ny 160 000Ar isaky ny fari-piadidiam-pampianarana na ZAP, raha ny vaovao voaray. Efa misy ny hafatra mandeha any amin’ireo Chef ZAP ka ireo Talen-tsekoly no voalaza fa asaina mandoa vola. Hatao inona ? Aiza ny naoty manambara izany ?hoy ny fanontanian’ireo Chef ZAP efa naharay an’io. Raha 25 ny ZAP ao anatin’ny CISCO Ambanja fotsiny dia mahatratra 4 000 000 Ar izany ny vola voaangona amin’izany. Ny CISCO rehetra ao anatin’ny DREN Diana anefa no voalaza fa tadiavina hanaovana izany. Tany amin’ny volana septambra 2022, raha nisy dian’ny Minisitry ny fanabezam-pirenena Rtoa Sahondrarimalala Marie Michelle tany amin’iny faritra iny, toa no nisy resaka fitakiam-bola tamin’ny mpampianatra, saingy ny Minisitra no nitsivalana fa tsy tokony hisy an’izany, fa ny diany dia efa tafiditra ao anatin’ny asa sy fandanian’ny Fanjakana. Toa miverina indray anefa ity resaka ity ankehitriny ka ny sekoly izay tokony hampiana indray izany no hovolosana? Mba hakana ranondranony sy hitadiavana doka amin’ny fandraisana olom-panjakana ve dia terena handoa vola ny sekoly? Zava-dehibe ny mandray vahiny manan-kaja, ary ekena fa mety misy tokoa ny fandaniana amin’ny fandraisana vahiny manan-kaja. Na izany aza, vola an’hetsiny sy an-tapitrisany maro ve no tadiavina amin’izany no fitadiavana doka sy voninahitra? Andrasana na handiso sy hanome baiko ny tsy hanaovana an’io ny Minisitera na hamela malalaka izay mety ho tompon-kevitra hanatanteraka an’io resaka fitakiam-bola io? Ny sekoly ve no tokony hiantoka izany? Raha miresaka ny amin’iny faritra Diana na ny Faritanin’Antsiranana iny ihany, efa notaterina teto ny karazana tsindry sy hetraketraka mivantana na ankolaka amin’ireo mpampianatra manana firehan-kevitra politika ivelan’ny volomboasary. Misy ny rahonana hafindra toerana, ary ao ny takiana hatramin’ny moto ampiasainy amin’ny asany. Efa misy amin’ireo lehibeny no mitsotra izany amin’ireo olom-peheziny noho ny tsindry mandeha. Ahenoana tsindry tahaka izany ihany koa any amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana any amin’iny faritra iny, terena an-kolaka hanaraka ny loko politika volomboasary, ka izay miangalana amin’izany dia mety ho tratry ny antsojay mivantana na ankolaka. Aiza ho aiza ny fanajana lalàmpanorenana izay milaza fa malalaka ara-potokevitra ny olom-pirenena ary anjaran’ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandanian’ny fitantanan-draharaham-panjakana amin’ny politika araka ny voalazan’ny andininy faha-39 ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Misavoritaka tanteraka ny raharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao,

Card image cap