airtel

Fampianarana

03-mai-2023

Fampianarana

Fanohanana ny fanabeazana tanora Am-perinasa ny Fikambanana Perfect Madagascar

Sample post image

Fikambanana iray anisan’ny tena tsy mialonjafy eto amintsika ny fikambanana Perfect Madagascar tarihin’ny filohany Sylvia Ranaivojaona.

03-mai-2023

Ankoatra ny fanampiany ireo karazana fikambanana maro samihafa mantsy dia manohana ny resaka fanabeazana ny tanora eo anivon’ny fiangonana ihany koa izy ireo. Efa betsaka ireo nahazo fanampiana sy tolo-tanana taminy noho izany. Nampahafantarina tamim-pomba ofisialy omaly teny amin’ny foiben-toerany teny Ambatoroka ny fijoroan’ny fikambanana ara-panjakana. Fantatra nandritra izany fa misokatra ho an’ny rehetra ny fikambanana ary vonona hanasoa ny mpiara-belona. Tafiditra ao anatin’izany ny resaka asa izay nomarihin-dRtoa Sylvia Ranaivojaona fa mbola mila fanamboaranabe ho antsika eto Madagasikara raha tiana ny handroso. Mikasika ireo mpiasa eny anivon’ny sehatra tsy miankina sy ireo mpiasan’ny orinasa afaka haba manokana dia notsindriany fa efa manao izay mety ny inspection de travail saingy na izany aza dia notsindriany fa tokony hihetsika mafy ny fanjakana ho fanajana sy ho fiarovana ny zon’ireo mpiasa Malagasy.
Pati
Legende : Ramatoa Sylvia Ranaivojaona, filohan’ny fikambanana Perfect Madagascar
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap
23-avril-2024

Notsiahivin’Atoa Rakotondrainibe Besa Joseph Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny CONAMEPT CONAMEPT

Card image cap