airtel

Fampianarana

15-févr-2022

Fampianarana

Fanonerana ny fotoana tsy nianarana Namoaka naoty sy tetiandro ny minisitera

Sample post image

Namoaka tenimita na « note circulaire » mikasika ny fanonerana ny fotoana tsy nianarana Minisiteran’ny fanabezam-pirenena mba hisian’ny rindran-damina.

15-févr-2022

 Ho fanajana ny lamina ara-pedagojika mifandraika amin'izay voarindra manaraka ny fitsinjarana ny votoatim- pibeazana isan-taona na « Repartition Annuelle des programmes scolaires » sy ho fanonerana ny fahatapahan'ny fampianarana teto amin'ny firenena (rivodoza sy valan'aretina Covid-19) dia misy ny lamina apetraky ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena mba ahafahan'ireo sekoly manantanteraka "séances de rattrapage". Toy izao izany, araka ny tenimita laharana 2022/089/MEN/SG nivoaka ny 11 febroary : ho an'ny roa volana fahatelo, dia ny alatsinainy 28 febroary 2022 hatramin'ny zoma 4 faha Martsa 2022, ary ny alatsinainy 11 Aprily 2022 hatramin'ny zoma 15 Aprily 2022 kosa ho an'ny roa volana fahaefatra. Irariana mba hizotra an-tsakany sy an-davany amin’izay ny fampianarana ireo zaza Malagasy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap