airtel

Fampianarana

27-janv-2023

Fampianarana

Fanovana ny rafi-pampianarana Nankatoavin’ny HCC, mbola betsaka ny adihevitra

Sample post image

Nankatoavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, ka nekena ho mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana

27-janv-2023

Malagasy ny lalàna momba ny fanovana ny rafi-pampianarana, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’io andrim-panjakana io ny alarobia 25 janoary 2023 teo. Ny tolo-dalàna momba izany izay depiote miisa 13 monja amin’ny 151 no tonga nivory sy nandany izany tetsy amin’ny Antenimierampirenena Tsimbazaza ny 30 novambra 2022. Mifandraika tsara amin’ny lalàmpanorenana kosa io, hoy ny fanapahan-kevitry ny etsy Ambohidahy. Isan’ny fanavaozana ao anatin’io moa ny fanalavana ho 10 taona ny farahafahakeliny ny fandiavana an-tsekoly, raha 5 taona teo aloha. Any amin’ny taona faha-6 no hahazoana ny taratasy manamarika ny fahavitana fianarana teny amin’ny ambaratonga fototra fa tsy ho eo amin’ny taona fahadimy intsony (CEPE). 3 taona kosa ny eny amin’ny ambaratonga faharoa raha toa ka 4 taona teo aloha. Ny teny Malagasy sy Frantsay no teny enti-mampianatra saingy ny pitsopitsony sy ny fampiharana dia mbola laroina politika sy fomba fampitana ny fampianarana izay mbola holaniana amin’ny filankevitry ny minisitra. Mbola betsaka ny adihevitra raha ny resaka fampianarana eto amintsika no resahina. Tahaka ny nanaovana andrakandrana na “cobaye” hatrany ny rafi-pampianarana teto, raha tsy hijery ny fidirana tamin’ny PSE (Plan Sectoriel de l’Education) izay efa niarahana tamin’ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka. Nakisaka indray iny dia io tonga amin’ny fanovana io. Nialohavana atrikasam-pirenena tany amin’ny aogositra 2022, ary nihazakazahana nentina tany amin’ny fihaonana iraisam-pirenena tany Etazonia ny septambra 2022 saingy tsy fantatra hoe: inona no tena vokatra nentina avy any? Tonga tamin’ny fandaniana ny volavolan-dalàna teny Tsimbazaza izay depiote 13 monja no manapaka momba ny ho avin’ny zaza Malagasy? Tokony hodinihina tsara fa tsy hoentina amin’ny kitaitaitra sy andrakandrana ny fampianarana. Isan’ny adihevitra, ohatra, ankehitriny ny resaka tetiandro hoe: sao tokony ho amin’ny andro fahavaratra ny fialan-tsasatra? Ny endrika ivelany izany, fa ny programa mihitsy no mila hampifanarahana amin’ny fihariana sy ny famokarana eto Madagasikara,…

Toky R


 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap