airtel

Fampianarana

27-janv-2026

Fanovàna sy fanavaozana ny

fanabeazam-pirenena

Sample post image

Maro ireo teboka mbola tsy mazava

27-janv-2026

Mbola nanohy ny fitokonany indray omaly ireo mpiofana ho mpampianatra teo anivon’ny INFP sy sam-pam-pampianarana ambony mampiofana ho mpampianatra samihafa, raha ny fampitàm-baovao voaray. Maro ireo teboka mbola tsy mazava, raha ny mikasika ny fanovàna sy fanavaozana ny fanabeazam-pirenena, no ambara, hoy ny fanazavàna. Isan’ny fanontaniana nipetraka tamin’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena sy ny tale jeneraly misahana ny fanabeazam-pirenena ny mikasika ny nanaovana ny 30.000 Ariary nalaina tamin’ireo mpifaninana hidirana ho mpiasam-panjakàna tamin’ny alalan’izany fiofanana teo anivon’ny INFP izany. Fifaninanana izay tsy nisy akory, hoy ireo niofana ho mpanabe, ary mpitsikombakomba ny minisitra sy ny tale jeneraly, raha tsy mazava izany resaka izany. Rehefa forongony dia tokony miala daholo, hoy hatrany izy ireo.
Nangonin’i J. Mirija

Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

16-juil-2026

Miisa 16 ireo voafonja hanala

Card image cap
16-juil-2026

Nahazo fotodrafitrasa vaovao hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana

Card image cap
16-juil-2026

an'Antananarivo renivohitra

Card image cap