airtel

Fampianarana

26-nov-2026

Federasionina Escale

«Ny fampianarana ihany

Sample post image

no fanalahidin’ny fampandrosoana»

26-nov-2026

Miatrika Kaongresy etsy amin’ny Gilpin Ampandrana hatramin’ny omaly ny atao hoe Escale. Federasionina iray mijoro hampiroborobo ny filazàntsaran’i Jesoa Kristy izy io, raha ny fanazavàn’ireo mpitondra fivavahana mikambana ao anatiny. Eo ihany koa ny fanampiana ireo fianakaviana sahirana amin’ny fampianaran-janaka, hoy ny fanazavàna. Omena tohana ara-bola ireo hahatafitàn’ny Bakalorea hatramin’ny fahavitàn’ny fianarany eny Ankatso. Tsy averina ny tohana hatreo amin’ny Bakalorea fa ny aorian’ny eny amin’ny oniversite no mila haverin’ilay mpianatra nisitraka fanampiana. Hatramin’ny nijoroany tamin’ny taona 2022 no ho nankaty dia mpianatra miisa 300 teo no efa nampian’ity federasionina ity. Miisa 8 izao ny Escale ary tanjona ao anatiny, ankoatran’ny hoe ho vavolombelon’ny filazàntsaran’i Jesoa Kristy sy ny fitoriana izany, ny fanampiana ireo malagasy sahirana eto amin’ny firenena. Tohana eo amin’ny lafiny fianarana hatreto no azo atao fa misy ihany, na izany aza, ny karazana fanampiana ara-tsosialy ho an’ireo ray aman-dreny sahirana. Antananarivo, Carion, Antsirabe, Fianarantsoa, Toliara, Mahajanga, Toamasina, Antalaha hatreto no misy ny Escale. Ny fampianarana ihany no fanalahidin’ny fampandrosoana ary ho afaka tsikelikely amin’ny fahantrana ny malagasy raha omena lanja ny fampianarana. Ny tsy fisian’ny fanabeazana no mahatonga ny vahoaka anaty firenena iray ho mora ambakain’ny mpanao politika sy mpisandoka ara-pivavahana. Azo atao tsara ny manala an’i Madagasikara anaty fahantrana, hoy hatrany ny fanazavàna.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-nov-2026

Hahazo birao vaovao,

Card image cap
25-nov-2026

Mpianatra M2 manao « mémoire »

Card image cap