airtel

Fampianarana

26-nov-2026

KAOMININA

ALASORA AVARADRANO

Sample post image

Hahazo birao vaovao,

26-nov-2026

novatsiana rano ireo mpianatry ny CEG sy lisea
Hahazo birao vaovao ny kaominina Alasora, distrikan’Avaradrano. Tontosa omaly Alarobia 25 Novambra ny fanompoam-pivavahana nanamarihana ny fanombohan’ny asa tamin’ny alalan’ny ady fototra. Dingana voalohany amin’ny tetikasa fanavaozana ny foto-drafitrasa ara-pitantanan’ny Kaominina izao raha araka ny fantatra fa ny dingana faharoa kosa dia ny fananganana lapan’ny tanana vaovao eo amin’ny toerana misy ny tranon’ny Kaominina ankehitriny. Tanjona amin’izany ny hanatsarana ny fandraisana ny vahoaka amin’ny alalan’ny fanitarana ireo sampandraharaha misy, ny kalitaon’ny tolotra omena azy ireo ary ny tontolo hiasan’ny mpiasan’ny Kaominina. Ankoatra izay dia fantatra fa hamatsy rano fisotro madio ho an’ny mpianatra amin’ny CEG sy lisea Alasora ny kaominina manomboka izao, iarahana amin’ny fikambanana Kolorano. Hiarovana ny mpianatra amin’ny hafanana be loatra no tanjona hisorohana ilay tranga teo aloha tsy hiverina. Tonga nitsidika azy ireo omaly ny Ben’ny tanana Randriantsoa Jimmy sy ireo mpanolontsaina kaominaly.
Pati
Legende : Noraisin’ny Ben’ny tanana tahaka izao mihitsy ny angady !
 

Dans la même rubrique

26-nov-2026

no fanalahidin’ny fampandrosoana»

Card image cap
25-nov-2026

Mpianatra M2 manao « mémoire »

Card image cap