airtel

Fampianarana

29-oct-2025

FIALAN-TSASATRY NY TOUSSAINT

Betsaka ireo sekoly tsy nampihatra izany

Sample post image

Betsaka ireo sekoly tsy nampihatra ny

29-oct-2025

fialan-tsasatry ny Toussaint tamin'ity taom-pianarana 2025-2026 ity, indrindra fa ireo sekoly tsy miankina amin'ny fanjakana. Raha tsiahivina kely mantsy dia nanomboka omaly Alatsinainy 27 Oktobra izany fialan-tsasatry ny Toussaint izany maharitra herinandro. Noho ny fotoana lavabe tsy nahafahan'ireo mpianatra nianatra nandritra ny tolona ho fanavotam-pirenena nanomboka ny 25 Septambra lasa teo no anton'izany, raha araka ny fanadihadiana natao. Nameno ny banga no nataon'ireo mpianatra noho izany nanomboka omaly. Nandika lesona dia nanao fampiharana, herinandro izay nambaran'ny talen-tsekoly iray fa tena mbola tsy ampy raha ny fotoana banga tamin'ireo tolona natao ireny tontaliana. Na izany aza misy amin'ireo sekoly ihany no hampiato kely ny mpianany amin'ny Alakamisy sy Zoma ho avy izao mba haka aina kely. Misy kosa anefa ireo tsy hiato mihitsy raha tsy amin'ny Zoma ho avy izao hanenjehina ny programa mandritra izao roa volana voalohany izao. Tsiahivina moa fa tsy manana olana amin'izao fanapahan-kevitry ny sekoly izao ny ankamaroan'ny Ray aman-dReny. Betsaka koa mantsy ireo nitaraina tamin'ireny fa ny saram-pianarana aloha foana nefa ny mpianatra tsy mianatra ara-dalana akory.
Pati
Légende : Mianatra toy ny mahazatra ny ankamaroan'ny mpianatra !
 

Dans la même rubrique