airtel

Fampianarana

20-juil-2023

Fampianarana

Fihaonamben’ny AUF Ho atao oniversite virtoaly ny CNTMAD

Sample post image

Nosokafana omaly ny andiany voalohany amin’ny fihaonambem-paritr’ireo rektoran’ireo sampana anaty

20-juil-2023

fikambanan’ireo oniversite miteny frantsay na “conférence régionale des recteurs des établissements membres de l’AUF” aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika na “Afrique australe” sy ny ranomasimbe indianina. Hifarana anio ihany moa izany. Araka ny fanazavan’ny Profesora Slim Khalbous, rektoran’ny AUF, dia tanjona ao anatin’izay 2 andro izay ny fampahafantarana sy fanaingana ny marika na Label C2R izay hametrahana tambazotra nomerika, ara-kasa, fikarohana sy maro hafa ahafahana mampivoatra ny tontolon’ny oniversite miteny frantsay, indrindra, eo amin’ny lafiny tekinolojia vaovao. Mpitantana oniversite na solontenana mpitantana avy amina firenena miisa 9 no hiaraka hikaon-doha amin’ny rektoran’ny AUF mandritr’izay 2 andro izay etsy amin’ny Radisson blu Ambodivona ka ankoatrantsika eto Madagasikara dia isany koa ny avy any Angola, Afrika atsimo, Kaomoro, Frantsa, Kenia, Maorisy, Mozambika, Seisely. Maherin’ny 1030 isa ankehitriny ireo seha-pampianarana na”établissement” mpikamban’ny AUF amin’izao fotoana izao. oniversite ny 700 amin’izy ireo ary avy amina firenena miisa 120. Ho an’i Madagasikara manokana dia ho atao oniversite virtoaly na “université virtuelle” ny CNTMAD, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap
28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap