indrindra, ao anatin’ny fampiharan'i Italie ny "plan Mattei" miaraka amin'ireo firenena Afrikana, hoy ny fampitam-baovao voaray omaly mikasika ny fametrahan’ny masoivohon’i Italia vaovao eto amintsika ny taratasy ofisialy manendry azy. Io no anisan'ny noresahana nandritra ny fanoloran’ny masoivoho vaovao, Paolo Cuculi, ny taratasy manendry azy hiasa eto amintsika tamin'ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha. Noresahan'ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao ihany koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fahaiza-miatrika ny fiovaovan’ny toetrandro, ny varotra sy ny fiompiana sy fambolena na "agro-alimentaire". Maro ireo mpizahantany italiana no mitsidika an'i Madagasikara, indrindra fa ao Nosy-Be, ka naneho ny fahavononany ny firenena roa tonta fa hanao ny ezaka rehetra hampiroborobo io sehatra io sy ny isan'ireo mpizahantany, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
Misedra risika maro anaty fampielezan-kevitra ny tanora eny amin’ny oniversite
Nihena 50% ny tahan'ireo mpianatra niditra an-tsekoly tamin'ity taom-pianarana 2023-2024 ity ho an’ireo sekolim-panjakana