airtel

Fampianarana

12-sept-2023

Fividianana fitaovam-pianarana faramparany

Tsy afa-po ireo mpivarotra teny amin’ny Pavillon Analakely

Sample post image

Tamin’ny Sabotsy teo no fotoana faramparany tena nividianan’ny Ray aman-dReny fitaovam-pianarana

12-sept-2023

hitsenana ny fidiran’ny mpianatra anio alatsinainy 11 Septambra sy rahampitso talata 12 Septambra. Nanantena ny tena hangorom-bola ireo mpivarotra noho izany tamin’ny sabotsy teo saingy ny nifanohitra tamin’izay ny zava-nitranga. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivarotra iray tetsy amin’ny Pavillon Analakely mantsy dia tsy araka ny nanampoizana azy mihitsy ny isan’ireo mpividy fitaovam-pianarana tonga teny an-toerana. Vitsy izy ireo, hoy hatrany ny fanazavana azo. Nifanohitra tamin’izay kosa anefa ireo tazana nilahatrabe teny amin’ireo toeram-pivarotana ana teratany Karana teny Tsralalana. Raha araka fanazavan’ny Renim-pianakaviana iray dia efa tamin’ny 06 ora maraina izy no nilahatra teny an-toerana saingy efa olona miisa 15 no teo alohany. Tamin’ny 11 ora atoandro izy araka izany vao afaka teny an-toerana, nividy kahie sy penina mba mora fotsiny. Hahazoana kokoa mantsy ny mividy eny amin’ny karana noho ny mividy eny amin’ny pavillon Analakely, hoy izy ireo, noho ireto farany izay efa tena maka tombony mihoampampana. Tsiahivina moa fa saika mbola tsy ampy fitaovam-pianarana avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra efa nianatra tamin’ny herinandro. Mbola vao ny 30%n-ireo mpianatra isaky ny kilasy no nahafeno izany raha araka ny fanadihadiana natao tamina sekoly tsy miankina maromaro vokatry ny fahasahiranan’ny Ray aman-dReny.
Pati
Legende : Lafo loatra ny fitaovam-pianarana dia vidin’ireo Ray aman-dReny tsikelikely !

 

Dans la même rubrique

24-juil-2024

Mampiaka-peo manoloana ny olana samihafa miverimberina ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo

Card image cap
24-juil-2024

Anisany mpandray anjara tamin'ny hetsika Madagascar school Fair teny amin'ny Radisson Blu

Card image cap
24-juil-2024

Hafakely ny tranga nandritry ny fanadinana bakalorea tany Ambositra ny andro voalohany,

Card image cap