court-circuit” ny trano fonenan'ny mpianatra ao Ankatso II, bloc 51, omaly. Henjana ny fifehezana ny afo na teo aza ny fifamonjena nataon’ny mpianatra satria nijolofotra ny setroka, nisy ny fipoahana samihafa noho ny fahamaiana, betsaka ny entana rotiky ny afo,... Mpianatra 35 no voakasika, ka vehivavy ny 17, izay nafindra ao amin’ny Bâtiment R+3 Rose. Ireo lehilahy, izay miisa 18 kosa, nafindra ao amin’ny R+3 Vert, raha ny fanazavan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa MESupRES. Notolorana fitaovana ilaina adavanandro toy ny fitaovana an-dakozia, lamba firakotra ary sakafo fototra (PPN) ireo mpianatra traboina. Nidina ifotony avy hatrany ireo tomponandraiki-panjakana, nahitana ny minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa (MESupRES), Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, sy minisitra hafa toy ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Minisitry ny Fizahantany, Minisitry ny Toekarena, ny filoha lefitry ny Oniversiten’Antananarivo,… nijery ny toe-draharaha sy nankahery ary nitondra fanampiana ho an’ireo mpianatra traboina. Nifampiresaka tamin’ireo mpianatra tra-boina izy ireo ary niezaka nampionona sy nanome fanampiana maika. ireto fitaovana manaraka ireto: 35 siny (seaux d’eau), 70 vilany (cocottes n°35), 70 sotro, 70 lovia (assiettes), 35 gony vary, 35 zinga, 70 vera. Tsy vao sambany tamin’ny fahamaizana nitranga tamin’ireo toeram-ponenan’ny mpianatra eny Ankatso moa ity, indrindra tamin’ireo fonenana tranainy. Ny tsikaritra dia somary marefo ny fiarovana amin’izy ireny, betsaka ireo « branchement » na ny fitsinjarana ny herinaratra no tsy manara-penitra,… Saika hita any amin’ny 90% amin’ny fonenan’ny mpianatra ny fampiasana ireny fatana mandeha amin’ny herinaratra ireny izay tsy « prise » no ampiasaina fa tariby mitondra herinaratra miboridana ampifanohizina amin’ny fatana,… Betsaka noho izany ny fanavaozana sy fanatsarana mila entina, izay tsy voatery hiandrasana ny Fanjakana ihany koa fa mety ny finiavan’ny isam-batan’olona dia tokony hampihena ny risika. Ampahany amin’ireo olana izany, ankoatra ny adihevitra marolafy mikasika ny fiarahamonina, ny fibodoana mivantana na ankolaka ny fonenan’ny mpianatra, ny fanorenana tsy ara-dalàna samihafa,…
Toky R