airtel

Fampianarana

19-juin-2024

FONJAN’AMBALATAVOAHANGY

Ankizy voafonja 6 niatrika ny CEPE

Sample post image

Manan-jo hianatra sy hanohy ny fianarany hatrany ny ankizy na dia voafonja aza.

19-juin-2024

Raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra iray mantsy dia tsy fanasaziana velively no hitazonana azy ireny any am-ponja fa fanitsiana ny zavatra tsy nety nataony teny anivon’ny fiaraha-monina arahin’ny fanomanana azy sahady hiatrika ny fiainana andavanandro indray rahatrizay voatsara soa aman-tsara izy ka nahaefa ny saziny. Zazalahy kely tsy ampy taona miisa 6 araka izany no niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE omaly tao amin’ny fonjaben’Ambalavatavoahangy Toamasina. Tao amin’ny fari-piadidiam-pampianaran’i Toamasina I izy ireo no niatrika izany. Raha araka ny fanazavana azo hatrany moa dia nisy ny fianarana noratovony nandritra ny taona talohan’ny niatrehany ny fanadinam-panjakana CEPE omaly, narahin’ny fanaovana famerenana toy ny mpiadina rehetra. Samy manana ny fandaminany avy ny fonja tsirairay amin’ny fanatontosana izany.
Pati
Legende : Ireo ankizy voafonja niatrika CEPE omaly tao Toamasina !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap
28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap