airtel

Fampianarana

03-déc-2025

« Foyers » an’ny mpianatra

Malagasy any Frantsa Mirefotra ny ampamoaka amin’ny

Sample post image

fanararaotana ara-nofo sy diplaoma hosoka

03-déc-2025

Raha eo am-panaovana ny ady amin’ny diplaoma hosoka ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, dia misy toe-javatra hafahafa mahakasika ny fiantraketan-draharaha mikasika ireo mpianatra Malagasy any Frantsa ihany koa amin’izao fotoana izao. Karazana ampamoaka goavana ! Ny 15 Oktobra lasa teo no efa nisy fanambarana nataon’ireo mpianatra malagasy monina ao amin’ny foyers gasy, indrindra ao amin’ny FUM Cachan sy FUM Arago, izay mangataka ny fanesorana avy hatrany ny mpitantana voakasika, raha ny fanamafisana. Voalaza fa nisy ankizivavy mpianatra nitaraina ho noterena hanao firaisana ara-nofo noho ny fanerena avy amin’ireo tompon’andraikitra. Fihetsika manala baraka sy tsy mendrika izany, tsy mifanaraka amin’ny andraikitry ny olona tokony ho mpitarika. Anisan’ny voatonona amin’io ny mpanara-maso ao amin’ny FUM Cachan, izay fantatra fa mpikambana ao amin’ny TEM (Tous Ensemble pour Madagasikara), fikambanana manohana an’i Rajoelina rehefa mandalo Parisy, raha ny fanamarihana mandeha. Etsy an-kilany, nisy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny FUM Arago voarohirohy amin’ny hosoka amin’ny mari-pahaizana. Nolazainy fa efa niasa enin-taona tao amin’ny CNRO Nosy Be, nefa ny marina dia enim-bolana monja. Enim-bolana navadika ho enin-taona, hosoka mibaribary izany! Raha ny tokony ho izy, dia tsy afaka ho mpiasam-panjakana raikitra izy raha tsy ao amin’ny “catégorie VIII”, saingy nanao lainga sy nanao hosoka mba hahazo toerana, hoy ny hatrany ny ampamoaka. Tsy voafetra amin’ireo foyers ihany ny olana. Ao amin’ny REPREMAD UNESCO koa dia misy olona noterena ho raisina ho mpiasam-panjakana amin’ny “catégorie VIII”, nefa ny tena marina dia ao amin’ny “catégorie V” izy, hoy hatrany ny vaovao voaray. Fantatry ny mpiasa ao amin’ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola izany, saingy noho ny tsindry avy amin’ny sampan-draharaha misahana ny mpiasa dia voatery nanaiky, hoy ny fanamarihana. Mitaky fanapahan-kevitra hentitra sy haingana ireo mpianatra Malagasy any Frantsa. Tsy azo ekena intsony, hoy izy ireo, ny hosoka sy ny kolikoly. “Ady amin’ny kolikoly, Tolérance zéro!” no antso avo ataon’izy ireo. Andrasana moa ny mety hisiana fanadihadiana feno sy fanapahan-kevitra avy amin’ny Fanjakana mahefa mba tsy hisian’ny fihainoana feon-dakolosy tokana ihany koa amin’ny lafiny iray. Andrasana ny tohiny…
Toky R


 

Dans la même rubrique