airtel

Fampianarana

29-juin-2021

Fampianarana

Herinandro mialohan’ny CEPE Azo jifaina ao amin’ny ketrika.com ireo "sujets types"

Sample post image

Herinandro sisa, dia hiroso amin’ny fanadinam-panjakana CEPE isika eto Madagasikara satria amin’ny heriny anio, izany hoe ny 06 jolay 2021 no hanatanterahana an’izany.

29-juin-2021

 Mifandraika amin’io, mba hanomezana tolotra sy hanampiana ny zaza Malagasy, misy boky nomerika hoa an'ireo mpanala fanadinana CEPE atolotry ny www.ketrika.com, araka ny fampahafantarana ataon’io tranonkala amin’ny endriny “Grande surface en ligne” na tsena lehibe amin’ny alalan’ny tranonkala io. Mizara roa mazava tsara ny boky atolotry ny ketrika.com, ka ny voalaohany dia ahitana "sujets types" ary ny faharoa kosa dia ny" corrigés types". Ny "sujets types" izay ahitana andiany na "serie" 7 ao anatiny ka ireo no mandrafitra ny taranja rehetra izay hita tany an-dakilasy, toy izay ihany koa ny “corrigés types”. Mifanaraka tsara amin'ny fandaharam- pianarana ofisialy ny laza adina ka mety tsara ho an'ny mpanala fanadinana. Afaka vidinao malalaka na amin'ny fotoana toy inona na toy inona ao amin'ny www.ketrika.com. Azo atao ihany koa ny manao “téléchargement” izany, raha ny fanazavana hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap
24-avril-2024

Misy olona manaparitaka zava-mahadomelina ao anatin'ny faritry ny onivesite-n’i Barikadimy,

Card image cap