airtel

Fampianarana

27-sept-2023

Hetsika politika atao eny Ankatso

Tsy nandrenesam-peo indray ny filohan’ny oniversite

Sample post image

Tsy nisy fisalasalana omaly ny namoahan’ny serasera iray manohana ny depiote voafidy tao amin’ny boriboritany faha 2,

27-sept-2023

Lanto Rakotomanga, fampitam-baovao fa noho ny fandaminana izay tsy maintsy natao tamin’ireo tomponandraikitra maro samihafa dia hahemotra ny 14 oktobra 2023 hoavy izao ny fihaonambe nokasaina hatao ny 30 septambra 2023 ary eo amin’ny kianja filalaovam-baolina eo Ankatso ihany izany koa ialana tsiny indrindra amintsika rehetra izany fiovana izany. Marihina, hoy hatrany ny serasera, fa efa ao anatin’ny vanim-potoanan’ny fampielezankevitra io fotoana io koa inoana fa hanatsara ny fihaonana izany. Amin’ny anaran'ny mangaraharaha ankehitriny no mampametra-panontaniana hoe nomen'ny oniversite alalana hanaovana hetsika politika ve ity antoko ity? Moa ve tsy anatin’ny faritry ny oniversite ny faritra voalaza? Maninona no tsy manao fanambarana toy ny ataon'ny Tafita mikasika ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena izay kasain’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11 hamoriam-bahoaka ny zoma izao koa ny oniversiten’Antananarivo? Inona indray izany no hambaran’ny filohan’ny oniversiten’Antananarivo entina hanazavana izao toe-draharaha izao? Tsy tokony hitondra fanazavana koa ve ny CENI izay lazaina fa vaomiera mahaleontena misahana ny fifidianana mahakasika ny hoe isan’ny toerana nofaritana ho azo anaovana propagandy koa izany ny kianja filalaovam-baolina eny Ankatso na tsia saingy…? Anaty lisitry ny toerana azo anaovana propagandy koa ve izany io kianja io nefa ny “conseil scientifique” na filankevitra siantifika vao ny 25 septambra teo vao nanapaka fa hofaranana ny 31 oktobra ny taom-pianarana 2022-2023, izany hoe miverina ny “activités pédagogiques” na ny fampandehanan-draharaha rehetra eny amin’ny oniversite? Tsy efa tena porofo mitohoka amin’ny tenda mikasika ny tsy firaharahan'izao fitondrana izao ny fampianarana sy fanabeazana eto amin’ny firenena ve izao? Maro be ireo fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao manoloana ny toe-draharaha. Tao ireo niandry fa anton’ny fanemorana ny mikasika ny amin’ny tokony hanovana ny toerana hanatontosana ilay fihaonambe saingy tsy izay moa no nitranga. Fendrangarangana fahefana ve sa fihatsiana? Tsy nandrenesam-peo indray koa moa ny filohan’ny oniversite.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Hanomboka ny 10 Jona ho avy izao haharitra 10 andro ny adina ara-panatanjahantena Bakalaorea

Card image cap
28-mai-2025

Tontosa omaly Talata 27 May Tontosa omaly Talata 27 May ny fanadinana CEPE

Card image cap
28-mai-2025

Afaka tapa-bolana mahery eo ho eo dia higadona ny datin’ny 17 Jona hanatanterahana

Card image cap