airtel

Fampianarana

23-août-2023

Lisea HR Daniel Ambohipanja

“Azo hamokarana asa tsara ny taranja siantifika”

Sample post image

Rehefa miezaka dia mahita fahombiazana, hoy ny eo anivon’ny lisea HR Daniel Ambohipanja, Ankadikely Ilafy. Izahay moa tsy manana afa tsy safidy na “série” siantifika, hoy ireo mpitantana.

23-août-2023

Nanomboka anio (TTF: omaly) ny fidirana ankapobeny na “rentrée solennelle” izay nampahafantarana ireo ray aman-dreny ny tokony ho toe-tsaina sy toetra entin’ireo mpianatra miatrika fahalalàna aty amin’ny kolejy sy lisea. Ho an’ny ambaratonga fototra kosa dia mianatra manomboka ny alakamisy maraina. Rehefa tonga ny fandaminana voaray eo anivon’ny fanjakana dia miverina mianatra marain-tsy hariva ny mpianatra. Ny nahatonga ny safidy hoe siantifika moa dia satria siantifika izahay 3 mirahalahy mpitantana. Ny fampiharana ny fahalalana misy eto amin’ny sekoly dia efa hananana ireo fitaovana ahafahana mampitodika ireo mpianatra ho any amin’izay safidy siantifika izay. 30% teo ny taham-pahafahana Bakalorea. Tsy manamaivan-danja ny taranja literera anefa ny sekoly. Mila hampahafantarina ny ray aman-dreny fa azo anohizana fianarana eny amin’ny ambaratonga ambony sy hamokarana asa tsara ny taranja siantifika. Misy mihevitra fa mora ny taranja literera nefa tena isan’ny sarotra aza. Mahazo Bacc literera ilay mpianatra dia tampina indray ny lalany satria misy zotram-pianarana izay tsy hahafahany manohy ambaratonga ambony. Izay ihany koa no anton’ilay safidy mba amin’izay rehefa mahazo Bakalorea siantifika ilay mpianatra dia mivelatra kokoa ny safidy. Iny moa izany teo nisy fivoahana laza adina. Ny fijerinay azy dia ny vy tsy mikitrana irery. Ny anay ny mpianatra dia ampianarinay no zava-dehibe mba ho tena hainy ny zavatra ampianarina azy. Ny kilasy faharoa sy voalohany na “seconde” sy “première” izao miditra amin’ny 5 septambra fa ny famaranana kosa niditra anio. Ireo mpianatra sy ray aman-dreny miandry fahagagana amin’ny farany no mety miandry fivoahana laza adina mialohan’ny fotoana fa tsy ny mpianatra tena nianatra, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
Légende: Ireo mpitantana ny HR Daniel

 

Dans la même rubrique

19-mars-2025

Mitodika any amin’ny fampiasana solosaina na ny asa na ny fianarana ankehitriny.

Card image cap