Notokanana sy natolotra tamin’ny fomba ofisialy omaly 06 oktobra ny lavadrano lehibe miaraka amin’ny fitaovana arifomba mampiakatra ny rano amin’ny château d’eau mahazaka 2500 litatra ao amin’ny LTP Ampasampito. Natolotra ihany koa ny efitrano fianarana 12 izay mahazaka mpianatra mahazaka mpianatra 360 nohavaozina tanteraka niaraka tamin’ireo, « ateliers » 3 fanaovana fampiharana. Tanjona ny hahafahan’ny mpianatra mianatra ao anatin’ny tontolo milamina sy mifanaraka kokoa amin’ny filàn’ny fampiofanana matihanina ankehitriny manampy amin’ny fampiakarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra. Ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana hatrany, misy ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny Minisiteran’ny Fampandrosoana ny Haitao Ara-kajy, ny Paositra ary ny Fifandraisan-davitra (MNDPT), izay mikendry ny hanohana bebe kokoa ny fampidirana ny nomerika ao anatin’ny sehatry ny fanofanana teknika sy arak’asa. Nisy araka izany ny fitaovana informatika ho an’ny LTP Ampasampito, ka nisitrahan’ny sekoly ordinatera enti-tanana miisa 10, izay natolotra ofisialy omaly. « 10 taona no tsy nisy rano ny LTP sy CFP Ampasampito. Volana vitsivitsy lasa izay no nitsidika izany, nahitana fa tsy nisy rano, ny efitrano tena ratsy dia ratsy, ka nirosoana tamin’ny fananganana ny fotodrafirasa. Isaorana ihany koa ny MNDPT izay nanolotra ireo solosaina. Antenaina fa hiroborobo sy hamoaka tanora manana fahaiza-manao ny lisea teknika », hoy ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Namafisiny fa ezahana hatsaraina ny fitaovana amin’ireo LTP sy CFP rehetra, ary tahaka izany ihany koa ny fanofanana izay nampidirana fiofanana toy ny « entrepreneuriat », hofanina mba ho afaka mamorona asa sy tetikasa. Amin’ny alalan’ny fotodrafitrasa nohatsaraina, ny fahazoana rano, ary ny fanamafisana ny fampiasana ny nomerika, dia manohy mametraka ny tanora ho ivon’ny fampandrosoana sy ny fananganana fahaiza-manao maharitra, ka nanamafisany, fa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana Fanavaozana sy ny drafi-pampandrosoana stratejikan’ny minisitera izao, mba hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eto amin’ny Firenena,... Nanatrika ny lanonana omaly moa ny Tale Kabinetran’ny MNDPT Rtoa Njiva Rakotoarivonina, ny PDS eto Antananarivo Feno Ralambomanana, ny Filoha lefitry ny Antenimierampirenana Fetra Ralambozafimbololona,…
Toky R