airtel

Fampianarana

22-mars-2022

Fampianarana

Madagasikara Tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny 20% n’ny olon-dehibe

Sample post image

Mbola mahatratra 20% ny tahan’ireo olon-dehibe tsy mahay mamaky teny sy manoratra manerana ny Nosy raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

22-mars-2022

 Olona tsy nandia fianarana fony fahakeliny mihitsy ny ankamaroan’izy ireo, tranga izay entiny miaina mandraka ankehitriny. Mba hahafahana miady amin’izay habadoana mihatra amin’ny olon-dehibe eto amintsika izay ary dia misy hatrany ny fiaraha-miasan’ity ministera ity amin’ireo karazana fikambanana tsy miankina maro samihafa. Vao ny faran’ny herinandro teo ohatra dia olon-dehibe 22 mianadahy no navoaka tamim-pomba ofisialy tany Imerintsiatosika rehefa niofana nandritra ny herinandro maromaro. Vokatry ny ezaka nataon’ny fikambanana tsy miankina Vony Maitso no angady nananana sy vy nahitana izany. Ankoatra ny fampianarana olon-dehibe tahaka izao moa dia fantatra fa hanao ezaka manokana ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fampitomboana hatrany ny tahan’ireo zaza Malagasy miditra an-tsekoly indrindra fa ny eny anivon’ny sekolim-panjakana EPP.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mampiaka-peo ary maneho ny fitarainany eo anatrehan’ny fahatsapan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana

Card image cap
25-avril-2024

tapitrisa Ariary ho an'ireo mpianatry ny sekoly ny Ray mpiahy ny fankalazana sady filoha

Card image cap
25-avril-2024

Tsy zakan’ireo mpianatra ao amin’ny Lisea Morarano distrikan’Ihosy intsony ny fitiavam-bola diso

Card image cap